Andininy
Protestanta Malagasy
30
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany rehefa saiky maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87F01D37-F444-47C4-8597-0D37A2CF2D79
31
Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin'izany làlana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63E71966-BBA1-4B3C-BADB-0BE67F1C25FD
32
Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4040EEDC-CA03-4E47-ACC1-BE29F9DFDCAA
33
Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EB66FD1-230D-4106-BA69-60553DEDBFE4
34
Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3F577F2-E73E-4A65-A47B-A458BDB710B7
35
Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A26AB97E-5C02-40A8-AA69-7CFB2432B5BB
36
Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C1066C-308E-4284-A34D-85D07DE780FF
37
Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF982394-A360-4012-8EB3-30AFB62A2C55
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany