Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy nivavaka tao amin'ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran'i Jaona ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBE04D0A-3172-40EB-9AC1-7B17191BA71F
2
Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô,hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99F0D459-710D-4222-A3AC-B640A5438DCD
3
Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A76DE8E-64AC-4825-AC33-AF4F21EC930F
4
Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DBE26FC-23A5-436A-9A44-B99102F9B206
5
Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A6D3C39-A18B-4C5E-BAEB-5FD6ED7EB24E
6
fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|352D1528-869B-4BF7-BB6F-5717B7F6A427
7
ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE849310-97D4-4BBF-8862-13F3557FFDF6
8
Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratraka hanome azy izay ilainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53761036-12A4-465B-B4D6-6474B5CCA302
9
Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC8BD6FA-AA3F-4ABB-B52C-C97DFADB6011
10
Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandôndôna no hovohana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EDA0E66-0B79-43A5-A3F2-D35A4152C85D
11
Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95893212-29BF-4859-B418-CDA50F912109
12
ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B62204E3-7D7E-4789-862E-4CE33E6F1956
13
Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF3F171-910D-487B-BA77-25813DCF568B
14
Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF05A7CD-2E01-4A5F-A914-74BA95AEE591
15
Fa hoy ny sasany: Belzeboba, lohan'ny demonia, no amoahany ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC8B3D2D-6C26-431E-AC40-9B3BD1FCC674
16
Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018759AD-7F7B-4C8B-B280-2C59AA9E1925
17
Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BD4CBB4-2D61-45B7-A52B-AE144F4C502F
18
Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan'ny fanjakany? Fa hoy hianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79649F6C-CC83-473D-9AD3-CEEB45A44919
19
Fa raha Izaho mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba, dia amin'ny herin'iza kosa no amoahan'ny zanakareo azy? Koa amin'izany dia ho mpitsara anareo ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65C744AC-3377-43D1-BD6B-9DAD90977FB5
20
Fa raha ny rantsan-tànan'Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24F4A606-55B5-431C-9439-04B1A9984D63
21
Raha ny mahery mivonona amin'ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45E718D4-8841-4B38-931B-5051519B7D2C
22
Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6531896D-856D-40C1-8E00-F0E4B3C24520
23
Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33F2D901-B0E1-483D-83AD-C99BA575EF5A
24
Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96565DA3-6EFE-4BF6-8666-2E54A5738833
25
Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3273B5AD-6DCC-4B8B-8E69-B993EDE91EA5
26
Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35F02141-AE6E-4816-AF8E-B55C583D6F93
27
Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin'ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|479621A2-4CFA-4108-B76A-BD58D8A4A032
28
Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|162965B5-FAA0-42A1-A95B-8E4F4F795A66
29
Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|217B2A89-E4F3-4D9B-9824-298858147E52
30
fa tahaka an'i Jona, izay famantarana tamin'ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak'olona amin'ity taranaka ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8CE40CF-11EC-4613-8F65-4BAC8D0A24BB
31
Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin'ny lehilahy amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25798C68-83BE-4AFD-854D-4C576347139C
32
Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona teny, nefa indro, misy lehibe noho Jona eto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45407A03-8ED0-44C7-BED1-056008CB9C13
33
Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8903356-3100-4096-971D-71820556294E
34
Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C9CCA57-545A-4330-B615-469C28B05DE2
35
Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F0D65EA-7931-45C0-A76C-439C7D4FA9EF
36
Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC585AE1-A63D-4E8E-84D9-A77942683B2F
37
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A13871C-FA4A-4718-824A-D3C0935DBEAC
38
Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85C322C2-0F58-42D9-B3BF-8302B8973135
39
Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny hianareo Fariseo dia manadio ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CE088D6-CE18-47C0-8682-64855A49FB32
40
Ry adala! Tsy Izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|802E765A-CB2A-47C0-8765-2D7503B7853C
41
Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana,dia indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CC749B7-C61D-40EA-A360-0B5AC79D6B30
42
Fa lozanareo, Fariseo! Fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra hianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EEF4BAC-7492-4299-9671-330DE715EB73
43
Lozanareo, Fariseo! Fa tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE81470F-383F-4A7D-9D7D-919C26D9B4E7
44
Lozanareo, fa hianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B609759F-FC4B-4D82-A676-292D2E3C98ED
45
Ary ny anankiray tamin'ny mpahay lalàna namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AADB2E9-7D77-4530-99A5-655816DB32AB
46
Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina hianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory hianareo, na dia amin'ny rantsan-tananareo iray aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED83FFCC-FA3C-4154-9558-A959420ECA40
47
Lozanareo! Fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany hianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|408D39E7-17FF-4749-87B6-7BEA035792BD
48
Dia vavolombelona hianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary hianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F95F40B9-C71F-4EA9-AFCA-C7AC9C1002EB
49
Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|904DC5BF-6300-4C29-9318-3630A90FD79C
50
mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B4D830B-2A02-4F55-A923-64D2D78F8F43
51
dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5983115-4A97-40EB-8F72-93028C93EAC5
52
Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; hianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|511B5CE1-DA9C-4CA3-905D-3591B527180A
53
Ary raha niala teo Izy, dia noteren'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C02CD24-9284-464E-B522-977DBEC579A1
54
Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin'ny teny naloaky ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3375202F-AD42-4922-9ABA-D8E077A5E0E1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany