Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema hianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDF9EE3D-E734-4BE5-8A2B-79769CCC0070
2
Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57101FA8-ECE0-4981-A9EC-57A6AA76DE6D
3
Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF4C70F7-57AC-4A6F-A160-8F4D127558B3
4
Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C486067E-43D4-446E-A8FA-994A07A31FDA
5
Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3464016D-206F-4E86-9F58-00533DB7DB4B
6
Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EE59373-5BD1-42EC-A129-6929E84989D0
7
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18A20525-34B6-4CA6-8970-9F9FCBB672D3
8
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AD2C325-9643-427C-8B7D-358A8690D17D
9
fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FE73177-3299-4204-A8DB-4B84C681A491
10
Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsyny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0AC4F4A-A176-4EA9-B5EA-CA8A7CD2C1B5
11
Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91A3F9CC-38FB-4527-98FB-92700D3076A5
12
fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D794400-3F00-4135-B7A0-8C0DFB5BB718
13
Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CF087FA-6E6A-44AD-B402-BB3DC0D34F9C
14
Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BFCC5FB-FF58-407E-8D09-A97C89332AA5
15
Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana hianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19B9C43D-FE5D-4803-90D5-627E4D231313
16
Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C848B845-195D-4C82-B218-EBE2A0A8F4B5
17
Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|024CE468-901E-4276-B81E-DAE2CFDE0777
18
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A6DA242-5E6D-42AA-A50F-D7D19D6FCFF2
19
Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro hianao; mitsahara, mihinana, misotroa, mifalia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B540DB06-220F-4BD8-B15A-1F9650EF419A
20
Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B703A8-32C4-4ABB-8370-9697A3943D42
21
Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55D0FF6D-9418-4860-97EB-869FD8010415
22
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanareo, izay hotafinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EED315EE-859F-4868-9A4B-3D3029744D18
23
Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA03008D-6A66-43EE-91CD-942C3ED71A6C
24
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7D18A02-7B9A-459E-B04A-6B21C4A567A8
25
Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany,na dia kely monja aza!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60E4104E-4E67-4DFC-8EEC-6810D157A50B
26
Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana hianareo no manahy ny amin'ny sisa!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A5CBC71-8106-43C3-8D27-05EE6087D51A
27
Hevero ny fanirin'ny vonin-kazo;tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A6A9E0C-5DA8-4E93-A60E-E3489F5ED9F0
28
Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ED393C4-ECF4-4AE9-B23B-A6B71AE44FFA
29
Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo hianareo, ary aza miahanahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2EC0DEB-2227-404B-BA7E-E27710A59DC6
30
Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAEEFB3A-F211-4371-9F7E-60B4ADFDF9A4
31
Kanefa katsaho ny fanjakany;dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|719FD4A9-F547-470D-8624-BDFC10C1F492
32
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28A8D5B5-4B5E-4DEF-ADD2-38FFDE039F2D
33
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B973A5F1-8F88-4673-B389-828FB37C8E79
34
Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91D31428-9CAC-4205-8894-E7355ECC7600
35
Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0221641F-4B73-4C29-A44E-74204E25D35A
36
ary aoka hianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tonpony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandôndôna izy, dia vohany miaraka amin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9663892C-4A6D-4E08-BC3A-365587A4BF85
37
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F56E6DF-7768-4780-8C11-0CCD6EC90409
38
Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D5BD563-5DA0-42C4-99AF-1313F102D55F
39
Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5835C8D5-6038-4E6A-908D-D9BE66623FC6
40
Dia miomàna koa hianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E9CA1D8-1097-4FC5-BCC6-409377F4CCA2
41
Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA41D197-4435-413D-97A9-C7DED3BE67EC
42
Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendrin'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2E62638-1D95-4176-BC92-F478AAC9DF56
43
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany raha avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5C0DB99-E2F4-4732-8841-531D218F7906
44
Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87F0A91A-49BA-42D4-AB1E-EFB9282527D1
45
Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1C1F48B-80B0-4D7E-BAF8-1DC9D9126099
46
dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roaizy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF3F08BA-6860-4BE1-80AD-F1CF1595028A
47
Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95DF7A9A-42EA-4318-AF42-1DE48918E585
48
Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0876E78-D619-415E-8AE4-08D6A53BFBBE
49
Tonga hanipy afo ety ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|770542B1-0807-4CED-AD7C-599C2D90C358
50
Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D43C76-A0D1-45C8-B921-DDDC0EA12987
51
Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55D5FD87-9031-44C0-87B4-B2BEB071D35E
52
Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|635B6214-D4AC-481B-9ADA-AFB9DB4B430C
53
Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zanani-lahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zanani-vavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozambavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|566652CC-FE0B-4935-8C6A-CC91DB66C530
54
Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana hianareo, miaraka amin'izay dia hoy hianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABB12D8B-3CB5-4375-831B-054AC24C464D
55
Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy hianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF198548-F175-4EB0-BF69-2FBAAE64F337
56
Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68548F5B-8EB0-4B04-B828-1205CD0FF9A0
57
Nahoana hianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A65F1C57-78F6-4354-A57B-C4C4D1D48CD0
58
Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao hianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dàlana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-trano maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B1FFAB2-EF5C-45C2-8947-836AE8C8EE56
59
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany ndrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4C7B619-2AD9-4DD6-820B-803A13E5BA1A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany