Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CF087FA-6E6A-44AD-B402-BB3DC0D34F9C
14
Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BFCC5FB-FF58-407E-8D09-A97C89332AA5
15
Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana hianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19B9C43D-FE5D-4803-90D5-627E4D231313
16
Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C848B845-195D-4C82-B218-EBE2A0A8F4B5
17
Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|024CE468-901E-4276-B81E-DAE2CFDE0777
18
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A6DA242-5E6D-42AA-A50F-D7D19D6FCFF2
19
Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro hianao; mitsahara, mihinana, misotroa, mifalia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B540DB06-220F-4BD8-B15A-1F9650EF419A
20
Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B703A8-32C4-4ABB-8370-9697A3943D42
21
Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55D0FF6D-9418-4860-97EB-869FD8010415
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany