Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary raha niditra mba hihinana tao an-tranon'ny loholona anankiray amin'ny Fariseo Izy tamin'ny Sabata, dia nizaha taratra Azy ireo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20EA8B6E-EC5A-45C5-AB14-5B85FC44581B 2 Ary, indro, nisy olona manirano anankiray teo anatrehany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17E930EB-779F-4D85-A4B7-B13A656EE927 3 Ary Jesosy namaly ka nanao tamin'ny mpahay lalàna sy ny Fariseo hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata, sa tsia? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F43E5B14-666F-4BE5-B054-46064B95DECE 4 Fa tsy niteny ireo. Ary Izy nanendry ilay marary, dia nahasitrana azy ka nandefa azy handeha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09B23EAF-0FC8-46FE-8969-C23D2EA8A44B 5 Ary Izy nanao tamin'ireo hoe: Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby, latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin'izay, na dia amin'ny andro Sabata aza? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D706011-AD10-4817-9006-559E97596555 6 Ary tsy nahavaly ny amin'izany zavatra izany izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65D951C7-4FFB-48A9-858D-285120E7D13D 7 Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA190C8D-C28B-4F11-B0FC-E29FDD01AA3D 8 Raha misy maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho hianao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1722C899-4FB3-4233-B5AA-4C98C5F8862E 9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io; dia ho menatra hianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8575A17D-CF49-49C1-B8D8-3A98AC21284C 10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1E1001A-8EAD-43C3-BA54-6A3E45CC6470 11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DD15CD3-9593-41BC-8ECE-A7B08F5C7878 12 Ary hoy Jesosy tamin'ilay nanasa Azy kosa: Raha manasa olona amin'ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva hianao, dia aza ny sakaizanao, na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena, no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaliny hianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6683EB2D-69CA-4485-8630-C3BF369420D8 13 Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71F106E8-C25E-43EA-B4E1-B36C473CDB99 14 dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa hianao amin'ny fitsanganan'ny marina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CC8969D-547A-4FC7-BE88-04017B41C770 15 Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33363C52-A0CA-40B9-8CFF-E8FCD8F5EBBE 16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E67C15B-20FA-49DB-BF5D-7762874B63A7 17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6034AE4F-5C2C-4749-BF13-810FD2964351 18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masina hianao, ekeo ny fandavako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B89151E4-8C35-4D9E-9B98-CE815928B676 19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masina hianao, ekeo ny fandavako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A695C09-A7D1-4092-A7AF-A432F6F90081 20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany . qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6B3117-77F8-4102-819E-1C85CB9F8691 21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dàlana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31117FEA-484A-4C00-9EF6-73B13A3E3FBE 22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC71688D-E12A-4C8E-8D8B-97DFFFEC33B6 23 Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77D0D748-1E5B-486F-AC08-27CF6AED624D 24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E313DB5-1F9B-43E2-A503-904269F7F958 25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|926CEC59-001B-4FA6-9A38-400F69D1BD44 26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6018E64C-20B4-4E83-9F6C-A54CA0752620 27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DAB71B8-2662-46D5-8BA4-7640F07B1DEF 28 Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany anaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8211147F-D26E-4267-AED5-E332C7187BCC 29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFCDC25F-ED85-46C4-9933-F24F5D1E9EF6 30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B370C8-0E72-4A97-81B1-AB23C8B2029B 31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82294CD9-8A33-4045-80D9-EB35FBC08D16 32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DE1D611-D4D7-4EC2-9478-625612BBD294 33 Ary toy izany koa hianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|827A1A59-6C5A-4620-A3B4-AD59263BAA8A 34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E081BDB2-2484-47F3-BB2E-DBF4A2DD26BA 35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBD1E89F-01F8-4CAB-881D-596F5D3B79F0
|