Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy koa Jesosy tamin'ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain'olona taminy fa mandany ny fananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DBC19D-871F-413F-8F19-920E4FF93C0F
2
Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin'ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0363E5BE-13B7-4CC4-8110-D538A960EF57
3
Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721CC8D9-6CA8-40A1-AFA4-179223348DC4
4
Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin'ny fitandremana ny fananana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BCF159F-FC77-4409-A9DC-1C009E10923B
5
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6F9D9EA-1EF8-4D56-B913-5A790293CA1D
6
Ary hoy io: Diloilo injaton'ny famarana.Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEE7F6A9-71D7-442E-B1BD-8004262640F7
7
Dia hoy izy tamin'ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton'ny famarana.Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ka valo-polo no soraty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A3A2C18-F278-47A9-8A72-79420FCE4AEF
8
Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2002BCE2-C587-4D3B-BB40-7E35D399CF6C
9
Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin'ireo ho any amin'ny fonenana mandrakizay hianareo, rehefa lany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6DB9119-24A8-4062-947E-41764507CD93
10
Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC3A9C5E-1D46-4252-9D44-C585D7A0434E
11
Koa raha tsy mahatoky amin'ny mamôna tsy marina hianareo, iza no hatoky anareo ny amin'ny tena harena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A1C900D-6C5B-4F9C-A8E5-78BCFF1A27A5
12
Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona hianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2AE7D61-2AB0-4C51-B4D5-7F77B48CBEB2
13
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|977AC8F2-9CAA-42F0-8E3C-1A183BBA7D90
14
Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izany, dia naneso an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D0B5819-029D-4096-B1EA-09D6E89D062C
15
Ary hoy Jesosy taminy : Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B2E8D2E-EE45-4F75-953A-43382CED69D2
16
Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28D73D42-33F0-481E-81EE-D60CE341604F
17
Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0538C3F2-8AA1-4D89-A622-71F2F27CD812
18
Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48E419DC-8EC8-42F4-BCBD-B42C027A82E4
19
Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin'ny fahafinaretana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B10F346B-7EB7-4E11-B330-5C71882DAE4C
20
Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CED62A20-B0F0-4895-8D50-58C56D39420E
21
ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avyka nilelaka ny feriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B58123E-6EA6-4D17-8204-1FB4F380FC39
22
Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1C45568-6DE3-4E80-843E-47B2502CB0A8
23
ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hitaizy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D21B695D-8A4F-4FF0-B2B0-514F8399D91A
24
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93489722-3F81-43C5-A0F0-0F54140577C5
25
Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalina aty, ary hianao kosa no fadiranovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC44BB7-25F4-4BCF-98F1-0C6F209AED40
26
Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24360E11-E274-4358-9835-5FC0A8050EB3
27
Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DDB4D94-E121-4EB2-9CBB-0957FDA6D1FE
28
(fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga aty amin'ity fijaliana ity koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AF76D0A-F9C1-472D-811B-E3C5C3CEC151
29
Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1588F386-0ECC-4A11-AEC7-5B8A03AADFB6
30
Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71A1FB89-D06E-44E6-A49A-26389740ECFC
31
Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB9BF55E-F717-4E8F-82EE-75DAD581C817
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany