Andininy
Protestanta Malagasy
19
Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin'ny fahafinaretana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B10F346B-7EB7-4E11-B330-5C71882DAE4C
20
Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CED62A20-B0F0-4895-8D50-58C56D39420E
21
ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avyka nilelaka ny feriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B58123E-6EA6-4D17-8204-1FB4F380FC39
22
Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1C45568-6DE3-4E80-843E-47B2502CB0A8
23
ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hitaizy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D21B695D-8A4F-4FF0-B2B0-514F8399D91A
24
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93489722-3F81-43C5-A0F0-0F54140577C5
25
Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalina aty, ary hianao kosa no fadiranovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC44BB7-25F4-4BCF-98F1-0C6F209AED40
26
Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24360E11-E274-4358-9835-5FC0A8050EB3
27
Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DDB4D94-E121-4EB2-9CBB-0957FDA6D1FE
28
(fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tonga aty amin'ity fijaliana ity koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AF76D0A-F9C1-472D-811B-E3C5C3CEC151
29
Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1588F386-0ECC-4A11-AEC7-5B8A03AADFB6
30
Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71A1FB89-D06E-44E6-A49A-26389740ECFC
31
Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB9BF55E-F717-4E8F-82EE-75DAD581C817
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany