Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F0DA9D5-ECF8-48E6-9AF2-BDB9D25E3860
2
aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|293F916D-DCCA-4619-B0EC-935C281432E7
3
Mitandrema hianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2493DC8-2CCE-44C8-9DD8-C0B4659CB84D
4
Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe: Mibebaka aho, dia mamela ny helony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E198487-381F-4D46-8E24-F93405ABEB3B
5
Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CDA11CA-ED6D-41B3-81FE-D6C9DDB8CF07
6
Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|697AED67-8B09-4DB6-B59A-F7FC3BA3AF1A
7
Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|417E257A-63B0-499A-BC42-0DF228D9D4DD
8
Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikina, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E8E19A-E5C7-4B19-9E16-EB0ED0D42508
9
Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B863A86E-F2DA-42B6-B9D3-188BE309BF21
10
Dia tahaka izany koa hianareo, rehefa vitanareo izay rehetra mandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EEBB191-179F-4735-B3E4-E77A629EA53D
11
Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'iSamaria sy Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|901DA3DE-00BE-4EEA-A506-B222338821BF
12
Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C7941F4-915F-42B0-9BAA-273134299015
13
Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85DDE181-5386-4A76-87BD-B06109764548
14
Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E0E7405-C12C-48CF-9528-2DABBF42C4F0
15
Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC8073DA-3C6E-4D30-8A6C-05183070A90C
16
sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2857FD4D-4C91-42B5-B38D-AAF3234734B0
17
Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? Fa aiza ny sivy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BFEC3E6-DAE1-4B47-81C0-D019EAA0CCE9
18
Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A4A0C04-9BF1-43FD-9601-5D2708ECE594
19
Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F31F4FC-F8C1-445B-8DA1-53B42145FF46
20
Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavin'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho ny fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C79B7A4-0031-4CAB-8EE8-597F29681CE2
21
Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|658D3AF0-8219-4E91-A60B-A8A395AA62D8
22
Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC272206-93C9-443A-AEE6-5EEE4DA7005D
23
Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro; ery! Na: Indro, ety! Nefa aza mandeha hianareo, na manaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59D4E263-57BF-409F-BF71-6FBAC8A417B3
24
Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A57921D3-B0DF-4F80-9906-FBD6E1D3A932
25
Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08D76DB6-E93E-451D-A347-251FB945D9ED
26
Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B58FD18-CFC1-46DF-875D-448AAC892891
27
nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95B63F76-BF7A-43B3-A01B-F06B2F46B43C
28
Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nividy izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|538F9EBD-ACC9-4671-881D-CBD6E2AC01AA
29
fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43F9EDE5-FC62-4654-AAE9-C3F55773453B
30
Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2805FA9B-38C6-48E6-B508-5963D1BDBC69
31
Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|250E0640-370F-443C-84DD-2F4F5C0D7E23
32
Tsarovy ny vadin'i Lota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|150A4EA2-838C-44D7-B90F-1971E80AFBAE
33
Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia haharo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|430767D2-C351-43C7-AE2D-A6955B83EAEE
34
Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A510A05-1B5F-4D9A-9C43-03EEB1F0C9B8
35
Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCC10C31-7205-45D4-9BEA-17C8DFEB81FF
36
Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A441876E-8635-4A2E-AABA-22FA2A3A8AE2
37
Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran'ny faty, dia any koa no hiangonan'ny voromahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38DA1A52-F017-4F49-A671-489CE565252D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany