Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACC756DD-B99C-40D7-A908-7BC89DEB7F4E
2
dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CE865CC-3FBE-4FD9-A135-094FDC88CFD7
3
Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A92BBC0-FC01-41E7-9183-7C45649FE9B6
4
Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9A959B4-D51F-40F5-B406-5351D1F52674
5
mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC4F72BC-2AA1-416C-88E5-45C2736D9735
6
Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB818879-36F6-4DDB-A5EF-FEEAF8E1E186
7
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E63E3BEC-FBD0-4AC1-889C-3A4DED3E8BF9
8
Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD685340-7298-4946-95B0-2B27C6B814B5
9
Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D9680E3-BE31-4D46-B55D-014E1849A76C
10
Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F9A5548-EDAB-407C-8F42-9A7DD0FAA3FE
11
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25C91911-A226-4029-AC06-6E1AB42E273A
12
Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3077B3A8-9F07-4858-934D-B687D461E67B
13
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F05A3C59-9BA9-42A4-9529-C5077E3C5BDD
14
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DEA9DB6-F6C3-4FF8-9443-07BB837753C9
15
Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6923480-E206-4A7B-8C14-37587D31E7EE
16
Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|410B6555-F1E8-477A-981F-BFE43F5549F4
17
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFDEAB99-DBA2-4846-AD66-046EF6AD9D3B
18
Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4909397B-11DF-4897-AFF6-E4CF8C70D89E
19
Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0168EA90-92FD-425E-854F-CF3FD402EBAD
20
Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks.20.12-16)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA40DB5F-A0C6-4FA2-81CD-B0426A26F04D
21
Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A5F30C-9BBA-4BCB-BB49-7B0A8781854F
22
Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha hianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia, manaraha Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3F3EC69-D1F6-486F-80D0-2DDC744FBDD4
23
Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C5A8286-988D-484A-A728-26C70C543985
24
Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51F88641-0526-4AB3-BC20-5E45343475D9
25
Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9830939E-D5D1-4DAE-8D42-DEF4046D5567
26
Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4CA721E-8936-4CB5-B072-7FDE49D157C3
27
Fa hoy Jesosy : Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FA41E01-1048-4D4A-B8DC-F8EA0A688939
28
Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C7774AE-D54C-490C-B457-7E3EBA63695D
29
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F89D7821-972B-418B-ADFB-3FAF7E414BDB
30
izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C264D746-FB25-4DDF-8FC9-56D0967466B3
31
Ary Jesosy naka ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66A7D185-850D-4E13-AD39-C2A777C32398
32
Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9CE2408-3171-454E-B46B-DC7CA11E7E27
33
ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33771395-56D0-48AE-80E5-EF1435DEE7F5
34
Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izany teny izany, ka dia tsy fantany izay nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D24FEFD6-3EC5-4043-ABE1-FF10DC8CFC33
35
Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dàlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5E37450-395E-43CB-AA26-9A8CEFF94986
36
Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0002A397-0EE2-40FA-8182-F1D3616255BF
37
Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98B3DE91-7B9D-4B46-95B7-AA658C86753D
38
Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E865F160-54C7-4EAB-B12D-E28AA93B47B2
39
Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A8B833-D655-4336-8F58-ADB950D0D0A7
40
Ary Jesosy nijanona dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesoy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBEBC917-ADE2-40DE-81C5-F785D0BE7EC5
41
ka nanao he: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8704278C-D9BD-4134-90E2-9ECD2D0ADD4A
42
Dia hoy Jesosy taminy: Mahiratra ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0152FA96-8BD9-42D2-BCD9-016CBACFF890
43
Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita dia nidera an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08EFB866-5BC4-4FA4-B634-575145A4FC5A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany