Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACC756DD-B99C-40D7-A908-7BC89DEB7F4E
2
dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CE865CC-3FBE-4FD9-A135-094FDC88CFD7
3
Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A92BBC0-FC01-41E7-9183-7C45649FE9B6
4
Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9A959B4-D51F-40F5-B406-5351D1F52674
5
mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC4F72BC-2AA1-416C-88E5-45C2736D9735
6
Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB818879-36F6-4DDB-A5EF-FEEAF8E1E186
7
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E63E3BEC-FBD0-4AC1-889C-3A4DED3E8BF9
8
Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD685340-7298-4946-95B0-2B27C6B814B5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany