Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany dia nisy didy navoakan'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AB4F97B-4C97-425C-A4B9-6C83F582C165
2
(izany no fanoratana voalohany natao fony Kirenio nanapaka tany Syria.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|454A90B6-2BB5-4678-8AB7-6E7C7553FD67
3
Dia samy nankany amin'ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|528CF3A2-B64C-47F2-9CFC-38384433AAD6
4
Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanànan'i Davida, izay atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFF8D7ED-1E38-42AE-8398-64BBB5B032D3
5
mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBBDA4A4-6F97-4AE4-81EB-64476643E8EE
6
Ary raha nitoetra teo izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4497BBAA-1CDA-4FB7-8283-FCB5199AC665
7
Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB5905F0-6A0B-4494-AF9D-387E374AFC2B
8
Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1FA6870-C97A-484C-A10C-150EC444EF77
9
Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFFB12FA-7642-4659-93F1-04D0D4202937
10
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izany ho an'ny olona rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93A84859-EFAA-43B2-BCCB-26DFAD42E534
11
fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53194623-9A78-4C92-A7C1-AFE9C46E41A0
12
Ary izao no ho famantarana ho anareo: hianareo dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2741E89E-F9C9-46C0-988B-C69977EB24A9
13
Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4823DCA0-E38C-4B71-B5FC-935A2659DC33
14
Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC533AC-4C73-4A49-BAD8-DE30872C1DD6
15
Ary tamin'izany, rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEF46F78-FD7F-402C-86F0-8E560F628B2D
16
Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A7A5933-3B79-4CC7-8786-B00CFA16AD35
17
Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83629B05-6956-4062-9E5B-4D4420BBCF93
18
Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6CFB99D-DF84-4649-9825-76BD86B59165
19
Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5855694-B578-4273-BA2D-03A698828A78
20
Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza sy nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B51B9FE0-930E-410B-A80C-2D6535BC7733
21
Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe JESOSY ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5F02CAD-F872-47C4-A79D-4E105DBAD3D5
22
Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37C5C89D-80DC-43CA-9DB3-D28720A18783
23
araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah (Eks. 13. 2)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDF72C1A-5EEF-4D4C-8BF6-F5CCA5EC6615
24
ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1D4214D-2838-4D19-9AB8-19BF0D9F57DE
25
Ary, indro nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3872FB39-6E90-40F2-A42E-3121A2EC75E1
26
Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C23A9A2D-360D-4160-A095-547E5F6A40AE
27
Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17DBBC0B-18C1-4B81-BDDA-9DAE7C08EBB7
28
dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2863B40F-82D7-4434-80EC-E35D653B8538
29
Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana araka ny teninao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD666ED2-F19A-4738-ADF2-58E997C7FAB8
30
Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABE394D5-3510-401E-9902-19922B0BF88B
31
Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB34F7C1-ED62-4FB0-B7F1-A7AF8D1C9737
32
Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFF562E8-F51C-45FD-976D-E31BA470B9D9
33
Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CC0D0B6-E572-4B07-B893-C258DC252B49
34
Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCCB4A3F-2384-4A99-A3A6-B3F99C7AB31A
35
ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB2EDC4B-BD9D-48CE-8A2F-3FCEE9B5F64C
36
Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|955AC1F8-517C-48A5-B884-D54A87CB9A08
37
ary efa mpitondratena tokony ho efa amby valopolo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D685587A-97D4-4E58-BDB1-9116399B0AAE
38
Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD1E630-1390-44CD-A781-3B4EC96F385A
39
Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B14DD5C-133B-4A86-BD13-5A8AD7D6CCEA
40
Ary ny Zaza nitomba ka nihahery sady feny fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADDC4879-E996-4D46-8DB2-5BB4C66FF430
41
Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12DC4C6D-ECEF-4F41-9FFC-213323A8018A
42
Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14CD0E8E-B435-426F-93A5-41D96C7FCBA9
43
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07BD47A7-8A2F-4AE7-9C40-EF4958280BD0
44
ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha làlana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E91F66E4-D1F3-4305-B62B-D0F1CB157356
45
Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81C45813-A9A9-4396-B665-5E5EC06C42CF
46
Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BA7E43F-7894-4552-9FAB-0164513C59F1
47
Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6E3C6FD-1F92-44D1-B5B6-F384348BBC19
48
Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|110D14FD-BA80-4B4F-A0F0-F8D8FE98C442
49
Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy hianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17EAB78F-B712-48EC-A85F-871AE6507C93
50
Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F7E6DDC-F41C-425B-8B63-649D4D19F5DE
51
Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615BFF6D-08E7-46A3-A5F1-70BE1B3DA8C6
52
Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A171A29-D750-4F73-95A2-039A3BC06DCE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany