Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6253CE36-7846-4CFE-B240-0CCC172B2936
2
ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|157FE0E6-FBE5-407F-BCC0-1B7BBBC55544
3
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36F10DCA-76E9-495A-A2DD-F3117AB9B371
4
ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A32E8C0B-F38A-4491-BF15-FA15BAFCE9D2
5
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7DAFBB9-4B2F-4E37-A305-502E2D1919A8
6
Fa raha holazainsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7C25A92-BE5F-4D12-B13E-A789E1249777
7
Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6779379D-D822-4F6C-93D7-A1471DC3EE96
8
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4469F52-D314-4C9C-A18C-2764E1B40A84
9
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanimboaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3179209-3FE0-4697-A5E7-74F6492414BD
10
Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanimboaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka iny ka nampandeha azy maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE803F34-73E3-4225-A52F-1F149C19D20C
11
Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalainy baraka ka nampandehaniny maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B26B5AD0-6DF1-44EB-A05D-E1D3EDB58DD0
12
Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1E41805-1DB2-4AA6-A552-7E78DB8C24AA
13
Dia hoy ny tompon'ny tanimboaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E4C9B5C-44FF-40E3-AB95-59B224D7C36D
14
Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe; Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5A5F87C-B9F7-4BAD-9920-B1BDD8B295C1
15
Dia namoaka azy tany ivelan'ny tanimboaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka ahoana moa izy amin'izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC2DBBC-33ED-4555-B802-89DE346D2BF4
16
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B424E941-C063-4028-A144-D47BAE6FC186
17
Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro (Sal.118.22).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BFE77A7-82AD-414A-90F2-9067ABAE9D5B
18
Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|964231BD-93EC-4601-BE7E-0C6EC3439A6C
19
Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DEF0028-6987-4124-A6A8-9CE0FD60CFAB
20
Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82C94F03-17AE-42F7-94CC-3C713E78892A
21
Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe : Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny làlàn'Andriamanitra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|220A15CA-1904-4C29-A477-6C9CBB86C695
22
Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23D3E6D-68E8-41DE-B801-9710D7C7593A
23
Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99D2B523-D701-4744-A79F-E9FB2B6F077F
24
Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io? Hoy ireo: An'i Kaisara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C7B0688-4513-40C0-943B-10FD660DBE47
25
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CFC8987-C9C3-45CE-B3F4-0CD23E945D20
26
Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany, sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C71516C7-680C-4590-BADE-B8D1023A55CD
27
Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCA7D4EB-CE30-4DB1-8340-9F96D64CF535
28
Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo.25.5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|968F2D90-F462-4022-ADFB-1FB510940C72
29
Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD2F4D2E-63DE-44DE-9B6A-2119CBFA1EF7
30
Ary ny faharoa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9581968A-CE02-42D0-89FC-102B2BB4BF8B
31
sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00EF9C1D-1846-4B12-BCC2-B4FF1C49507F
32
Ary farany dia maty koa ravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19D4ED13-6192-4CA2-9C39-3354041CD26F
33
Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy? Fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DFAB6A2-C933-4BDB-B546-B7A43E412A61
34
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak'izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F59304DC-F4E0-4E4B-857D-F796D8D10112
35
fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D5C3BE8-D81F-4F32-891C-0CE375F19EE1
36
ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70F2E7EB-C744-4D83-9FAE-7A05F2020024
37
Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe: Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks.3.6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24410B3F-A124-4792-82D3-A21B02B1846D
38
Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|714F3C68-A112-4B13-A263-736B371FB6EE
39
Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C45B5E8-EEE3-41F6-9EE3-ED152282C4B6
40
Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D89B99F4-B2F9-4AB3-8F94-02C7B459DC8D
41
Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C22E79E-F869-4CAD-B190-4B9E9012DC5E
42
Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: "Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9336F0C4-17AE-43C4-8070-EA2DC1FF58A6
43
ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal.110.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9DBECED-F258-4341-99AB-1BAE8CB3449F
44
Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E72232C1-30F4-45D0-973C-C73D35D602EA
45
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BCAB618-6F99-46B9-B832-82D6784625EB
46
Mitandrema amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena sady tia ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46F04D39-6C3A-4E9E-9EF2-2C6774F3A464
47
ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07A39F81-56B5-4EA2-8478-B7DB6E8CEDBC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany