Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02B78BB4-975B-4A86-9D77-E49E1AFF9D57
2
ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roateo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DE51D80-A8BE-4F32-AE04-4B16861C22F1
3
Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAF5CB9E-26A9-4E0F-A6FD-A4DE2373567E
4
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany ao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76EB1B90-73FB-471A-8006-C771B8A31889
5
Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DADB5C72-C5A3-4D67-AA7D-4CC5D6A3ADE4
6
Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2ECF41D-D382-49F4-AD5C-877A3A157502
7
Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? Ary inona no famantarana rehefa ho tonga izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEAEAEF1-4FF8-446A-B535-14D1A8647EEA
8
Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka hianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8349A986-D881-44FC-AEB9-17ECF8E7E597
9
Ary raha handre ady sy tabataba hianareo; aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DED1419-2A5D-4371-BE55-87FFC5911DD7
10
Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E7FC326-0CE8-452F-9947-CC272F4481A4
11
Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56D4E5CA-0C5C-4867-B59F-8401627ED289
12
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-trano-maizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hianareo noho ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A189684A-9F07-44C1-8DE0-30198753B899
13
Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|094C2F95-BD28-4DEF-BB75-4D164BFC29F2
14
Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F9725D4-5BBC-4FB5-9404-1D4CB33A5FDE
15
fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9B87C27-B412-471E-9108-399C5EAC3BE5
16
Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza hianareo; koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7114DCC-6582-460E-AFF5-5D94411799A5
17
Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A73D758B-0BED-44FB-8D86-CCE56C9F01D2
18
Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B01C65D-896D-4924-954E-878FD864D1CC
19
Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D080D194-0D20-4877-923B-4D2737855F0C
20
Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDF8E695-4363-43EB-AAF8-1441AF8874EC
21
Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2009ED1-25D4-41D2-B37C-5BDF15F3DF10
22
Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CB5CE5A-F64A-4833-853B-8BD5C32FAC3B
23
Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! Satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6823B476-BBC5-43BA-8036-7C8F6320BCC4
24
Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE9EA85C-7130-4C6E-B61E-A65A0A08C9FA
25
Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BDA4384-441A-42A0-AAED-0DE93A40C7C0
26
ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A4560AA-8A61-4FD6-95D6-DD3E802F207D
27
Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E758FDF4-18A0-4350-AA22-73D99667E942
28
Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69F5EB77-EA2D-43BC-8F98-2B25B163AFDB
29
Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E25523D2-29CE-4B52-8A99-87CB6FFD42B2
30
Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B759A8E0-EB3C-4606-B0D7-5FBF59701D49
31
Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0574025-C114-410E-90CE-898B5DFFE52E
32
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A3CEAD4-63F9-4C59-B699-FBF5200A643A
33
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A731FA92-B0C2-4C4B-8B3A-F9744AD4973D
34
Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD5AC1AF-289F-42F6-B4DE-FB2FA7BA2056
35
Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra ety ambonin'ny tany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84FFBE27-4070-43AB-A064-E8B40B41ABF4
36
Fa miambenaka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F05CFDB9-5B19-4B6D-AE5F-85B2E4D5EED8
37
Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6CC3F70-F7B0-43F3-947D-8DFD8D69CA77
38
Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD403783-DCDB-44CD-809C-86F69D550E10
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany