Andininy
Protestanta Malagasy
54
Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13222824-CA91-4308-AB54-23222F84F847
55
Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A0CA8B6-E42F-4FB2-9687-B23C08431A07
56
Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCF5F32C-5F03-4EDF-9FD8-6683F5C6A5C7
57
Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615356C1-B210-411E-9463-77148C6A4CD6
58
Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ADC0C5D-D4E7-4F2B-A0EC-94C57F4A2161
59
Ary rehefa afaka tokony ho ora iray dia nisy anankiray ka nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A8CE58F-1067-40A5-9799-28153531BCFC
60
Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|915A6DDE-46F3-4FAD-85EB-8F7EA313173F
61
Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: 'Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo hianao'.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3402E8B-09E1-410C-B9B5-D6B56093321A
62
Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5353E6C3-3D81-43CE-8538-7BA9ADD82FBA
63
Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82530E12-8E62-4A3B-B269-00145F827714
64
Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|960525BA-8ABE-4078-9F5D-6E1E353FFE45
65
Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|622C7020-3892-40AD-ADF8-1AB4802067BF
66
Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|311D45D4-7D90-4D36-A85C-186CB5A24F9A
67
Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEA17D84-FA34-4F42-A2A9-4ED02ACF403C
68
Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B001747-5509-473F-A571-7F430A682C95
69
Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tànana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DA9AE8E-FCF0-45A7-974E-E8B4C4712DB7
70
Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED80319-4CBF-4EA5-BAEB-AD2BE435E62B
71
Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DDA79AE-8C02-4AF2-BCB6-117AD5FC3EE3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany