Lioka 24: 1-53

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDCF8F1A-1018-4819-B7A9-4B357F6511C3
2
Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8F3D0F7-39BA-412A-A310-89D58B3D9476
3
Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FACB4E6C-E7BB-4116-8696-089E3396EBD1
4
Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EB086DE-B9BB-4C7B-B9F5-6B48A2CA6135
5
Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FA3539-8125-4766-91F5-B195E5123BF5
6
Tsy ato Izy, fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izany nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4D8959-2B10-439F-BF7D-984255D450F7
7
Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana, ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6AAE94E-B25C-410B-843E-02D8C0CD8C5B
8
Dia nahatsiaro ny teniny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34816E26-983A-4511-AD0B-76BD8E909C83
9
Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C58BDB21-1434-486F-991A-0676114D5571
10
Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF1344F9-56F7-4028-9467-40CDD133E4C3
11
Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58970AA9-4818-481D-A3F5-394830F28E8A
12
Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatara izay tonga teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|426E4F5F-F98D-4F53-876B-95035C8EEE74
13
Ary indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany fa hakany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadioraha any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBFF5A26-AEE4-4710-8167-55FE6ED936F4
14
Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE3E18F5-3701-43BF-93D1-FB6538EF7CCF
15
Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2026C29B-C27C-443F-813A-A84948C17A62
16
Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E9A8BA6-D679-4FBE-A3BC-AB2E645CE830
17
Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED411E6E-CE1B-4C16-87B3-156DBF2BDF53
18
Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalalaizay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BFEFFF5-1C7D-47C2-8EF8-72F5BE00138B
19
Fa hoy Izy taminy : Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E590DD20-C7FA-445B-8D95-B7CFF3239932
20
dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|597512A8-11E3-4B5A-A752-2F73328D5613
21
Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izany nahatongavan'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0382968E-6061-4AE4-8439-D545F7FA917A
22
Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5EE0F7F-EF5E-4DCA-B649-876BD8A9891E
23
ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8643F491-3E6C-459D-AAE4-0ADEBC4C23D1
24
Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24A3D398-7233-4706-B588-F01B32935144
25
Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8796386B-026D-4435-9E39-150326335C1A
26
Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1729D69-D5F7-4D37-AA69-C6D82FD35C03
27
Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22066E58-B242-4E83-A9D2-53008D743A46
28
Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F50CAAF-AABD-4374-AC80-7A77B66563EE
29
Fa ireo nanery azy ka nanao hoe: Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|860F3A94-0588-4962-A8AB-52A69F770BA8
30
Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9473BE7-261B-4B8B-BFD3-D7BE053DC1C8
31
Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EEE796B-CAEA-455F-ACD8-02119655611E
32
Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C361BC0-82A8-456F-ABDE-237F911741E0
33
Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2AA5018-E15E-48AE-B5ED-9F755052C06D
34
sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7438776A-F03F-4877-B107-E6EF6AE3AEE9
35
Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dàlana sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A868E0CA-1CC1-420A-9A22-CDF0954324F7
36
Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F54A9D2-759A-4248-AF82-5211CB2C5EB6
37
Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF85ACD6-A636-4DD3-97A9-078DCEA38CDE
38
Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra hianareo? Ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9A42C57-24E3-4E15-A5E3-F137C7375610
39
Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADCC5BA1-C97B-4DDF-A9FA-C5202590FB2C
40
Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F0A1B6E-3277-4826-913F-BA6BF218DF81
41
Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina aty va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|369BDF01-9D06-4305-8EA5-F55D6D9B995F
42
Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatonoIzy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F89A1FC3-8116-43F5-A637-4CDAE2D7619A
43
Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7581A06-DC40-4043-B7D0-E23EC8424BB4
44
Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBFDBFA0-524D-41A5-8438-7F8AB2AA058B
45
Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F19A0EC5-73AD-4452-83BF-038E9E050A8C
46
Ary hoy Izy taminy: Izao no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0CE6E85-5BC9-4E2F-9972-6AA1322E3AFD
47
ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|683B6192-934F-4675-B7C3-D6BA1BE31C00
48
Ary hianareo no vavolombelon'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A9077E-7172-4CC4-BD55-38CC59443EF3
49
Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77EA9822-2F90-41D5-9F8F-34B1C69C1EBE
50
Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6F8A3FD-02C5-444A-A619-65D3354E64E4
51
Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCE35C80-9AF7-4E00-BAF4-88D4332EA0E1
52
Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7019397-4C4D-4E27-A951-8198500473E0
53
Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan-andro izy nankalaza an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65E6D146-263E-4094-91D0-E265289F157F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany