Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberio Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C4B3269-BEF6-488B-A651-A65D9D72BDB4
2
ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, - dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A9646AE-3EC2-41A3-BEC4-5E2964EA403E
3
Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|290E3EC6-9EBB-446A-9C68-E38ED6C8285B
4
arakany voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: "Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B811DDF-CE59-4A08-A2C5-5D3B1B0C01BA
5
Ny lohasaha rehetra hototofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ary ny meloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03DC522B-0F42-496E-9CF6-375F468D2EEF
6
Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra" (Isa. 40. 3-5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95E51BDA-B25F-4059-8B91-39276CAD1B6A
7
Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9C52DF-2175-4DD8-A0AD-E097B3FF7FCF
8
Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F93FAAB-2504-4E45-8F4E-9353E6D19F39
9
Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E0E0C70-9861-41A7-BED4-AB02F0623AB9
10
Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: Inona ary no hataonay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|858CBE36-B11A-4126-86EB-3ADE0E7C6063
11
Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D70804B-AD04-4A19-9188-687924E0FF44
12
Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68EBCF8C-DB77-4365-8617-0D566EBDD9AA
13
Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD6A1645-DFB5-458A-8F5C-66194B1EAE65
14
Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|996235C8-E547-40A9-A8DA-25410C214308
15
Fa raha mbola niandry ny olona ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF455A4F-FACA-4FFB-BD75-E5E0179353DB
16
dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|797B0338-2D9B-44A4-BBE6-FD70E3BDEAC3
17
eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara nyao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AA5A480-B444-4215-9EEA-C8F3284B7B76
18
Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DB107C1-FDAB-4E40-BD5F-DE1D4CCE4B31
19
Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEE87D03-BEB4-4B02-AC65-C124F75AA5D5
20
dia nanidy an'i Jaona tao an-trano-maizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|922C2F59-573B-4E3F-B3EE-DF080F50AB65
21
Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C9565DA-B7A2-4181-B361-49F56A8A2907
22
ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EE21B61-B369-49BD-8FB8-4D3510431F7D
23
Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vaonanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2A0F154-818D-4085-810E-B42A3895B990
24
zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2640236B-0A32-4A52-9D5A-8D6119551B04
25
zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E4EB735-EBB9-4A34-BEE1-3F0B000C0ACC
26
zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03D15FA7-8F02-4948-970B-7DD8EA8AC058
27
zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4303148C-4718-4B80-A36A-4BE2C1E9B9C5
28
zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A98DAA7-085E-4155-85AC-63F80D2D38EE
29
zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|806D06BB-22B8-4FD0-899A-26AB7490346F
30
zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonana, zanak'i Eliakima,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F0BB334-48FE-4B82-9D95-8FDAE203814E
31
zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D17A592-DD98-4F98-8102-8EE74308A7A4
32
zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDBE575C-CB70-4DFC-AE3B-FCCC3A3199D9
33
zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9DD31EC-E262-415A-B06A-DE5364115F4E
34
zanak'i Jakoba, zanak'Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6A85524-ACDB-4236-9B53-5A30DB617CED
35
zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89A59770-7F03-4009-910F-7CE53756FBBB
36
zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46A39C2C-0A1D-47F9-B8E7-DCDD0B39E420
37
zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58AB262C-74FA-4B3F-8616-10469D302DF0
38
zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F87C3D7-6012-4E85-8257-6F80B1465764
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany