Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentiny'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECBD24D2-3DDE-4C48-BF38-173BD14D931B
2
ka nalain'ny devoly fanany. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89EA3FA8-4B99-4D94-B96B-D0228B98820B
3
Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0732B80E-5F3B-44F4-A033-CF7D410F815F
4
Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C61BFFC9-939A-4769-9399-BAF42F94C599
5
Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|344513F2-7FD4-49C4-8209-2255666E9C34
6
Diy hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF50D7DB-C096-4A9B-890C-91C5AE429441
7
koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C3A0851-5F62-4FC5-9712-EEA40AB8D92C
8
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55C45754-D18C-4B8B-8F45-46E9B7F2224D
9
Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny Tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E475BF4C-6712-4961-A0DD-67418565F86D
10
fa voasoratra hoe: "Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F37FAD4-1A56-44C9-B53C-504A6C17ACF8
11
Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao" (Sal. 91. 11, 12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A78BE94-DF14-411C-AA34-87CBBD4AF075
12
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanany an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6ECE577-742B-49E6-BC00-41BAD1DED5AC
13
Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BB79603-A1CA-4AB0-8EB5-3837E719BA75
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany