Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentiny'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECBD24D2-3DDE-4C48-BF38-173BD14D931B
2
ka nalain'ny devoly fanany. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89EA3FA8-4B99-4D94-B96B-D0228B98820B
3
Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0732B80E-5F3B-44F4-A033-CF7D410F815F
4
Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C61BFFC9-939A-4769-9399-BAF42F94C599
5
Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|344513F2-7FD4-49C4-8209-2255666E9C34
6
Diy hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF50D7DB-C096-4A9B-890C-91C5AE429441
7
koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C3A0851-5F62-4FC5-9712-EEA40AB8D92C
8
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55C45754-D18C-4B8B-8F45-46E9B7F2224D
9
Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny Tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E475BF4C-6712-4961-A0DD-67418565F86D
10
fa voasoratra hoe: "Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F37FAD4-1A56-44C9-B53C-504A6C17ACF8
11
Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao" (Sal. 91. 11, 12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A78BE94-DF14-411C-AA34-87CBBD4AF075
12
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanany an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6ECE577-742B-49E6-BC00-41BAD1DED5AC
13
Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BB79603-A1CA-4AB0-8EB5-3837E719BA75
14
Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4198EE9-F26D-44A4-9752-A1274FEE9B41
15
Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABF647DE-801B-4FD4-8E5A-4CC7076208F4
16
Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AE2C600-6C0B-4089-AE5E-D1091F69D899
17
Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A887D952-83A7-4C6E-8FA8-8377A1CA99F0
18
"Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasanaamin'ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64848A09-AD7F-4AE6-BED8-DD959C4E3F79
19
Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah" (Isa. 61. 1, 2).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28987471-B859-48A5-B0C4-C40146B2DD3B
20
Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C1B6048-FFBC-400A-9E26-CC4188145268
21
Ary Jesosy niteny taminy hoe: Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E020FD8F-5A59-4ACD-A383-A39893BE9ED6
22
Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F143869D-9E65-47B3-81F1-F1149BF0B591
23
Ary hoy Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: 'Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao:' izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7F7826F-3ABD-4CBA-BA54-3246D094F077
24
Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7B121A9-7D49-4DAA-8B4E-AD037B838C51
25
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4D57C5B-F172-49CE-9CD3-E9BC9FEB67F5
26
nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54749201-B788-49C8-AE1F-3662052F17E7
27
Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza, fa Namàna Syriana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89E61E43-6C6F-4557-9CFC-4E8C56974B32
28
Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F75183DD-3853-492B-A5EC-510F387B8B8A
29
ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala tao an-tanona ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B26FEE5-121A-45C8-9E2E-C46FB91CE612
30
Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AFB0814-CCFD-41C5-B562-832E55D157C7
31
Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A43F4AAC-A49E-4596-9C07-7EE66AE95134
32
Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDE9E456-5D14-42E9-B224-44961036301B
33
Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8014936-2A37-4DB0-A388-4BF780E83E7E
34
ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninoa akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|243C1A01-202B-4CA6-BE8A-133E1D15254F
35
Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina hianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DD7B657-5A2A-4850-9C07-0B55DB632522
36
Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F87EB675-C7C7-4F3F-ABF5-4001F9284D0B
37
Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C710F85E-22A9-4C67-95CA-D39255614548
38
Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozambavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E76FCC66-1A9D-4633-B8AF-80840BA3066F
39
Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|188A71E1-3A2D-48ED-AE79-F79E818E2ECD
40
Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tànana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB7F35BA-46C2-4D28-B42A-4A02948CAF1E
41
Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D154ED59-89E8-4B3A-B3B2-AC4EBFA0928E
42
Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B9700BF-F410-4A9D-BCB3-E0B9EFB53DF7
43
Fa hoy izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9831D5D-1EE1-4607-A2AA-A8F7017E0ADD
44
Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80BDB519-B834-486C-A740-9BD8CBCA797D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany