Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|007B5E77-F053-48A7-8E6D-47F7E6952263
2
ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E92DB03C-8723-414A-8238-EB25EEA7AF23
3
Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18046FED-784A-4520-AB44-598BACA9271B
4
Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|587E3DF2-5C4C-4336-85A5-7EE293ADEDD6
5
Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E02C125-95E9-4EEF-8532-947948CED993
6
Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E8093B4-3A6B-47D7-A77D-135B6C02F35D
7
Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51B8F83D-2C22-45AB-92AE-F855141279EC
8
Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A247074-E103-4307-8F10-11DE57123605
9
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazandrano izay azony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7E18C67-63A8-41DA-BA58-E63F86B58222
10
Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|753889D4-8110-477A-A2DC-F283C78587C0
11
Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01D22482-E59D-474E-A45D-59D3A89C1C33
12
Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|490AD2D6-364B-486E-85A4-A11555E2DA20
13
Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova hianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3E28D58-F401-4EA0-AC85-960C450625DB
14
Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44C9471C-1ED2-4655-9D94-75F4DE4DDB67
15
Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D77FB48A-8CB1-432D-AAAC-DDCFB6BAACD1
16
Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE78A6DB-DC1F-467C-AD7F-E41B502337DF
17
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FF8B1DE-ECA9-41F1-9159-168549CA5F07
18
Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, na nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EAEF6A0-A56C-4127-AE6C-EB1FD93D5CAB
19
Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69BACB25-A47A-4024-BEDB-2984B9C271AB
20
Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CA9E0DF-538E-47D4-B520-31871F785973
21
Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51F4092D-D6C0-4BFB-A248-FDBCF64A3B29
22
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A6C3EB9-3255-45E5-87CF-609FF7474C84
23
Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5E7F0F7-92B1-4205-B881-77479EEE89E3
24
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|492A7BEC-9FD5-402B-97C7-8178EF64F34E
25
Ary tamin'izany dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07E2784B-1F47-4236-A959-57851BB33C79
26
Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD6C7E67-51D0-4582-A0B1-A1358A001144
27
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E797DB2-9B5E-4AF4-85AC-4CDE93281661
28
Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C86FE3A8-D58F-4E0E-8F19-8400453B82A5
29
Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy: ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFFB548F-F3F2-4F0E-BAB9-C1F83703F0E7
30
Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana hianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75682F1A-17F6-45EC-ADE5-8024FD242EE2
31
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|883ADD3B-B9A1-409C-828F-43D42FEB862D
32
tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15FECA95-3536-4DD3-BDD5-F4B0179DC06D
33
Ary hoy izy ireo tmainy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F77F2482-F6E8-4238-8D1B-C5A9F11DE54D
34
Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va hianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9402C624-4DD5-4DB3-8876-F92BE2CC4C8B
35
Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C881EFC-3A93-4C28-A0DA-5A4EFBC57150
36
Ary Izy nanao fanoharana taminy ka nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A934008-3D24-449D-A946-8092A9DEBCC2
37
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBAFC537-86CC-411C-A643-A02276F4CA6D
38
fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|481E95A6-FC18-44D8-8E69-EAB144A30216
39
Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D9CAED4-EB96-46BA-8A5A-E051EAF4BD50
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany