Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy; ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|600C99AC-2A04-42A0-80D4-396CE6C32AB9
2
Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana hianareo no manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B98CD0D-6625-4332-9A04-4345D825F28C
3
Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29BED582-93BD-49B5-9A59-448DA2072421
4
fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome ho an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EED0209E-2FDC-4C53-95BF-33212DF51577
5
Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF7E0C42-0521-4525-9358-3B3FB6D3CBE3
6
Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa dia niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tànana ankavanana tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|070F3F9B-BD68-43A9-A455-8F618814CB35
7
Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDAFB67B-EF20-4C35-8BB1-9EB46E777D06
8
Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tànana hoe: Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EB290C9-CDC9-4E79-A859-84D758FC0D62
9
Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina sa ny mahavery aina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DF09CCB-B6AA-4CF2-8798-13D0408B0B12
10
Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EF3ECDF-BE70-4C52-88D7-A4A2AE223B7D
11
Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovana an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1644BF32-6CE2-40E5-B1E0-D0D7A8487423
12
Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6738A5E0-07AB-41D6-83A7-4BF347722ECA
13
Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D31D011-3B7E-494A-BA84-45254AE7590E
14
dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, ary Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartolomeo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2EFB9A0-EF0F-440A-AABD-20BC0CF6C2B1
15
sy Mario sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A767C6EB-813A-4D65-BB26-D1D85D96304A
16
sy Jodasy, zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, ilay tonga namadika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFF06710-BE2F-44D8-B379-C5C7940810CA
17
Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1FB2656-9BAA-484F-8466-C71BC6B259F9
18
ary izay nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA482A8B-C19C-4070-8005-DFC6C3031D9C
19
Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C72037D2-9B2B-4A5D-A328-5E39FED35B4D
20
Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra hianareo malehelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23D05B7-2415-4C27-BEB1-B7AA8478DB51
21
Sambatra hianareo noana ankehitriny, fa hovokisana hianareo. Sambatra hianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D92DF5BF-A2AF-4BFE-B02B-A7BB8FA8734D
22
Sambatra hianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18697885-F8E6-487F-9727-99FBBA58E2EC
23
Mifalia hianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0104FE0A-2848-42CF-A85B-FEE30D5724E5
24
Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay nahafa-po anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52A897F8-9EA4-45A8-B2C0-9AA268CCDECD
25
Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana hianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny ! fa mbola ho ory sy hitomany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D6379E0-584D-43FA-9411-ABC71FB65334
26
Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F0CCE8A-1D5F-424A-9E99-9B885D9B73D5
27
Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihainy: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65D36EFD-191D-4F5C-8A25-86AEABB27567
28
misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24CE4191-FB77-4D3A-8042-CBB1C3F20B98
29
Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5035D27E-DD9B-46AF-974C-42EB9264F727
30
Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF07F30E-2434-4DD7-AEAB-F9B3F54D0495
31
Ary araka izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87C4764A-0E96-4CE6-8569-7F8CAA320359
32
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80F84059-4BA2-40D0-BBD2-51F26D16F17D
33
Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62C803A4-4ABD-46A5-A140-9CFFEF348D09
34
Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra hianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D51D6689-5388-49B6-872D-0C149ED9F363
35
Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCAC549F-0E00-4A3D-85C4-22F1DBDE2575
36
Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE5B7CE2-991C-49B7-A6E8-3689743B631E
37
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina hianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F700722-B4BA-446F-A2DE-6B46629F04FE
38
omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED1244B4-992F-4496-981C-D51955D57AB7
39
Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA6AF043-DABE-4D84-954B-FBCB328E6638
40
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|438730AE-F76D-40DD-B7C6-2345F93D9DC2
41
Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD43B964-6653-4D15-BE69-2E787BDAD894
42
Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EE2D60-4482-4E68-A031-728AE8B99AC7
43
Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C65C3E9-CA93-44F2-BFE1-F642A498250B
44
Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28CF3858-D911-48FB-B74B-19F915C7F64D
45
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9394C535-185E-48F1-88ED-0E7BF117C6DF
46
Ary nahoana hianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8A00741-FFA0-41AA-BAE5-C6B1A38AD92C
47
Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankato azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1357AC2F-2173-40C4-BC15-4FB11D7BFCC0
48
Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|834929DD-4E70-45C9-B211-A27B85D3EFF8
49
Fa izay mandre, fa tsy mankato, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia mamely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FBCC490-0E4E-46AF-9757-6DB683D6ADE5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany