Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9915D6D-A1DB-41AF-BF48-F8D681AACBC7
2
Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5731E16-4C63-4C09-B93A-8B1DF6717F96
3
Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy hahasitrana ny mpanompony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DBB5602-8AD4-448F-A87E-8522C0257674
4
Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C885641-5D2F-433A-9440-F46BF2277319
5
satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19003BB6-68AA-4AA0-9864-57AD3FDC6AF6
6
Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61D6717C-FC97-41A9-B929-284D96348D5A
7
Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahinko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C57F1AC0-9BF1-4244-8610-2ED4C7C6F9E9
8
Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, fa manana miaramila izay feheziko: koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E16FD190-E74B-4918-AE47-BCA2B897B558
9
Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E222B74-C996-43D5-A468-C565224657B0
10
Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ACDE7B7-439A-473C-9FB3-1022C1674D12
11
Ary taoriana kelin'izany Jesosy dia nankany an-tanàna atao hoe Naina; ary nanaraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|247B40A4-F60F-4FB9-911E-7A0C68E34EA8
12
Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2352F57-ECA9-41E2-A84C-78E3E272D45E
13
Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12E1E906-78A5-4653-89CD-657376123004
14
Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C61AA35-A3CA-4FC3-8219-1B1C7168F2CB
15
Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9170D61-4226-4C20-9ED8-0621D3349521
16
Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9CBCAC1-CD6B-4BD1-AA73-065BF5DDBFDE
17
Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|578F61F1-7D1D-4D13-AB0D-57F41A113679
18
Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F5561F8-1FEB-4078-8CBF-D0C43D1E5E4D
19
Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FA12CD6-136A-40A5-9E7B-1245F4D3177E
20
Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankaty aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28F72EF4-9467-4001-ACBD-F3DCFE700BE0
21
Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99B271E1-BCA1-47F9-B776-0618A0631474
22
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana hianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7675C6FD-3D3D-4BCD-9A15-5A781A81544C
23
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0679855-ADB1-498B-8157-55BF0A675726
24
Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05789CE8-0E94-420A-A1D2-B296BA97990E
25
Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82BEFCCD-3DAC-464F-A411-3F878E6F20C5
26
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C35BCFCC-C87D-4FD6-A6FD-66BE9254BB2D
27
Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B06BC763-5ED6-40FC-A26A-3FB649DA2DB5
28
Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5898FED8-66B0-4ACE-AF5E-5FC262195B78
29
Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nadre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AE9FEB6-8715-46D0-9E1C-66B16C9B9D10
30
Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nanda ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD643B35-8DF3-4E22-9816-3ED76D64A81A
31
Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EE3D49D-36DE-4A2D-93C7-5E33B44D2748
32
Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C23D571-FAF1-4719-AD82-4CA6C1F1CC35
33
Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy hianareo: Manana demonia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2439D04-3A18-470E-B3A0-344E4E5082E3
34
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy hianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F3FFD4E-D644-47DE-B8D2-18274EF8A553
35
Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny zanany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3C487B7-2F9E-46B2-99ED-757E42927750
36
Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariso Izy ka nipetraka nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEEE5ED0-A1A6-43C3-AF0A-28A0DC52F5FC
37
Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF53A74C-DD9E-4ACC-AC46-78AEAF2CEF71
38
ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2287614-19F0-460C-AD51-610A2D58A517
39
Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Asy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDEF15E9-07D6-404E-9861-3CFC64DD34DC
40
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C86D286-6E9A-4889-A149-DB7E2F16F68C
41
Nisy roa lahy nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8380D31-CD14-477E-94A0-4505F3C81B9E
42
Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66B885CF-C5C8-477A-BAD2-DE5B47B293C6
43
Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F14F247-D04C-4EC5-BC95-EE9837CC1E7E
44
Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro hianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6057F3F0-5FA1-45B9-8A23-973B39A4AE5B
45
Tsy mba nanoroka Ahy akory hianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2D7237D-0766-4CF0-AAF5-F906D6E5A4E2
46
Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6453720A-8241-4EC7-A159-BA1228FF35F0
47
Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB2B532C-ECCB-4F69-BC97-064B0BFCD1A0
48
Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F463176-FA48-4B17-A8FB-47B72A4932C6
49
Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A3DBFC5-E24B-4C11-BD96-D2E94AEB66EA
50
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E19EB9D4-A4AF-4EC7-9070-9C188686521B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany