Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81556907-4EC0-4F81-AB7B-BE2B2918A76D
2
mbamin'ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3E7A1DD-959C-4F62-9178-73833EB3B96C
3
sy Johana, vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin'ny fananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD5BCD16-6BB5-44A1-BA7E-83EC0FFFE8FC
4
Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFBCC599-D696-43AF-8F27-35CE325203AD
5
Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dàlana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|564CA688-E884-45A3-B05B-1F6B10CB70BE
6
Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|724CD13F-6758-4A0B-9C1F-9D74DE606379
7
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8B15FE7-BCB9-423E-8FAB-C27C7D1814DD
8
Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaina, aoka izy hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61F81AE9-AD66-4A0F-A7A3-733FB80B5F65
9
Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E5CBCD7-4604-4327-9105-D1F41F2C69FE
10
Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50B49B7C-9E9E-4191-A246-C31730B97FA0
11
Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40ECFA38-C64A-4F69-AB07-EEDBF0920F2D
12
Ireo teny amoron-dàlana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BA5550E-92A9-4AD0-ACCF-09769D2663AB
13
Ireo teny ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17A0D1A6-40EA-44F5-84FB-9FF994440CC7
14
Ireo teny amin'ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A420E76-F563-45F3-BCE8-5431BFBA5728
15
Fa ireo teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BC4824B-C88C-4B0F-9D53-64E78B6FFD4F
16
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41657D4D-F3AF-4FFF-8148-46A187CDE917
17
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86D645F1-3D7A-414F-80EE-63C5F0FCDF8A
18
Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AACD86F-0AD7-485E-A09D-EB01EF085E7D
19
Ary ny renin'i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5161DDA2-BEC7-4AFD-848A-B9C84B32177C
20
Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C67B68F5-1E9D-4700-BD4E-95E770C84107
21
Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka mankato azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|723FE98E-D411-4A83-BFEA-A52AF1334066
22
Ary tamin'ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B08C1B0B-6749-4538-9FCB-1C9AABCF9D44
23
Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafiodrivotra nidina tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0857EB00-FCCD-4290-B8EC-FD8B303683F4
24
Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onja-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A9ABFFD-8352-41A7-96AC-ABB2F657D1A8
25
Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBF17C51-CCA8-4B51-9117-E72E8E02BFB4
26
Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay tandrifin'i Galilia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F803DD5-F105-40D7-89F0-F47A52978444
27
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A324451-4615-48C2-9616-F85303889712
28
Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izay sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Masina Hianao, aza mampijaly ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5F21A6A-77D8-4065-BD50-542BA4FBB99C
29
Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3942A445-944A-4DA3-8C1C-C27960285B0D
30
Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45475ED5-D322-4017-AA4B-2EA5AECAD1EC
31
Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F48EE92E-7670-4C7D-A88A-47938A31C30B
32
Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AFB3899-06D9-4AA2-866B-F3B36E947B1B
33
Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F10A4A-92FD-433F-BA99-A1A374B2F272
34
Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C193892-6B25-4BC3-A14F-BF0FEF551B85
35
Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy, izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C5464B-A841-42BE-9486-5CA17718F17C
36
Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A191F58A-0C8B-4F26-B32B-176BBA617412
37
Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D0B585-5D56-45E5-8AB6-FAE90F9B2B57
38
Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|587388CA-0DAA-4EBF-8528-027D72E5D1A4
39
Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F2892C6-9EB2-4D26-A913-2073F105AF9A
40
Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD72B2E1-77AC-4712-BEDE-BFFED533AA8C
41
Ary,indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8758812E-A71F-452E-9B16-CEBD7185C012
42
Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety làlana Azy ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27BA7979-3DE1-4BCA-A2B3-63772673F94A
43
Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA08B5D3-3B1B-4E35-AD99-EBABB384FB5E
44
Dia nankao ivohon'i Jesosy revehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A835F62F-3FE8-472A-9870-9A7634126F8B
45
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nanda izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka ka mifanety ka manizina Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56240837-A380-4767-A265-B84E8F546E59
46
Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy: fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3461DA4E-49FB-431A-A9DC-8DB1A87DDB4A
47
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F4B9825-316D-4F40-888B-069B1AADF972
48
Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25226D1D-0201-4F72-AB74-F3CAF8FA213D
49
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avfy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1DEAE1C-FDBF-4FF4-B334-95D6C217F04B
50
Fa Jesosy, raha nahareo, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|159A1B6C-FF57-497F-A748-50C940E62B7A
51
Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB79063A-D22C-4AC8-B8D1-873A7F4B41D6
52
Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3821D2AF-558D-486E-B24A-7E57454BFD2B
53
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona, satria fantany fa efa maty razazavavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D58536-80A7-45C8-90F7-946F4107B301
54
Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EED4EEE4-024E-40E4-B4DF-E762DA89965C
55
Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5785FD08-D1C4-4164-9CB7-6CE0BC64478D
56
Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara azy tsy hilazalaza amin'olona ny zavatra efa natao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36CBB57B-5FC8-45D2-B872-A9E3720817D1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany