Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0E1DA3F-D9A4-4EE2-87AF-09138D0308B6
2
Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|480CEED5-3A00-473A-95A1-C2C1AE830DCC
3
Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20CE4280-1A26-44D9-8150-53772122734F
4
Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD62EF9-7F88-4D45-BEE3-94753CC75D7D
5
Ary izay tsy mampandroso anareo, raha miala amin'izany tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AA94878-008C-4EBE-A6E9-03EE1B77176D
6
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E4337BD-F039-4A0C-B5EE-79D368690BCA
7
Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF9C89CE-38E3-47A4-8DE2-9D4EBAF0883E
8
ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9536D98C-426B-46E7-ADA3-5595D0208DF8
9
Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B72328C4-4633-421D-9B88-88118303EDA4
10
Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin'ny tanàna atao hoe Betesda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30E7D02C-E7E5-476E-8B96-B938E57E20BD
11
Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05186C05-A304-4B58-B74F-81145892541F
12
Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa ary an-tany foana isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86E25ABC-E91B-4967-8AF1-B91B5F108CAC
13
Fa hoy Izy taminy: Omenareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D8CAD49-CB7C-48CF-B7F2-538D16CE4576
14
Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D32B1A1B-CE2E-4E5C-A57F-F4635903D464
15
Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CB52E2E-0E4B-4E75-BB75-37D833885449
16
Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|251722A7-774B-417F-BF80-5FAAF06B67D9
17
Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombitsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|296D3A5D-B238-42F6-8A76-D79DE39B4B92
18
Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|135049E9-E719-434B-9CC5-E5BBFA2BBAC8
19
Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia; ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57B388D7-1152-43FB-A6A0-D5251D2EA08F
20
Fa hoy Izy taminy: Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F798A66B-F345-4957-BFF1-29FE93EF8CF8
21
Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFC5BBC7-F413-4507-97AD-B1E31DC15F40
22
ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9076400D-B28F-434C-A4B7-CD1A78F1B2AA
23
Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B1BDD1C-C769-4EB4-9480-D93DF78CFD8A
24
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED64E860-ABD0-4586-BCBF-8D7DD5845DE7
25
Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy,na mati-antoka izany izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55B7CF53-8BAE-4A08-A1E2-351ADA9E77A5
26
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF02F110-84EF-4020-97FB-A252512A70E4
27
Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF119973-3E94-4D17-A8DA-72F3020B0F60
28
Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26A0E99B-A7E0-40CE-8BD1-45B3BC0E21D4
29
Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2596783-5C62-4DB6-AAB2-309E8B48DAC6
30
Ary, indro, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84BFCC7C-1235-4E3C-A449-67AEAD4E6BAC
31
izay niseho tamim-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A70F28CD-BBD6-46D2-B9A8-C63626744892
32
Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany, nefa nahari-tory ihanyizy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93CA9973-4DE2-4823-816D-0994700DD6D9
33
Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika, ary aoka izahay hanao trano-lay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A1D9A5A-63CE-4189-BD3E-75A261839601
34
Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB80845D-08E9-4A06-B610-7CAD9DB6B175
35
Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00ABC153-5CB7-4ABE-81E4-2EA67FBE4426
36
Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8BAB430-49C7-4C30-8CAB-EFF7786FA36E
37
Ary nony ampitson'iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C91014E8-BD67-41C4-83F1-7023E1051310
38
Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe:Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! Fa zanako-lahy tokana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72F6DA98-64A3-42E9-A242-E86457B6F9D6
39
Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanitontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialàny aminy ka mahatorotorovana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68BF6339-1E5C-4596-8ECC-5234A04AFE7D
40
Ary nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany fa tsy afany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E04447AC-8FB7-47CF-8F03-73EFB3A8D752
41
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento ety ny zanakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC0526A3-D3A0-4E69-9E19-3AC9DB6CBC81
42
Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|116949DF-CA95-4CC8-A513-BC205225C053
43
Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Fa raha talanjona izy rehetra tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3F7A71E-2019-4E31-AD9B-385DBBEF8A57
44
Ampidironareo ao amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo an-tànan'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0497097F-C45D-456B-AB3D-F574329BCEF3
45
Nefa tsy azon'ny mpianatra io teny io, sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin'io teny io izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2BF7E89-8389-4515-877D-0DB93CFFB41C
46
Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18147195-319C-4CD4-9E6C-D69A839285EC
47
Ary Jesosy nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24EFDDDC-8883-4CE4-AEA8-9EF8AF404661
48
ary hoy Izy tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C7677BC-635A-4982-926A-7C089A5E2B9D
49
Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9560B5F-DFB9-4D6D-9A3D-AA7D587E4A2C
50
Fa hoy Jesosy taminy: Aza rarana, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|640222CA-6672-44D7-B037-5D85797C854F
51
Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|196527CC-9111-4876-AA1C-FC94C9425B34
52
Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy, dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A25FEB50-547B-46F0-84A0-8EDA74F67787
53
Fa tsy nandray Azy ny olona satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F1DAF83-461A-4B3E-8F92-AA557D6024DB
54
Ary raha hitan'i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B721FD0-8701-4A92-9E13-01187146386D
55
Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDB55E5F-C4D3-42E9-974E-96E97F8C325C
56
Dia nankany amin'ny vohitra hafa Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C209C412-6BDD-4745-8D1C-A683AF41F4CB
57
Ary nony nandroso teny an-dàlana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72A5F59B-DFFE-463F-AD52-2AA9B928128E
58
Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7C86AC2-24A1-41DC-93AA-655B0D8A40C0
59
Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0220CC12-9D9C-4B97-9ED5-DC4A228121FF
60
Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa hianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A5CD2A-D82B-494A-9CDF-BE11794F6DE1
61
Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|313ABDFC-50D1-4A2A-8675-7212D2D07738
62
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC1C174D-8A23-4C48-8725-451704E132EC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany