Jaona 1: 1-51

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A2D9EB9-231C-4B58-A8D3-53B7EA7F26A9
2
Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6FC0C64-FB98-44A7-AE69-E8159B258F3B
3
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62EF2AA5-3DE3-4826-8F6A-6E30A465AE4B
4
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15AD056C-F663-4402-9332-78208D229965
5
Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. 2[Na: tsy nahasakana azy].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|100DA2AE-B493-4B92-A2C6-7DB90A2B9E9E
6
Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF055E83-87FA-482C-BBFC-4CB5F4D13BCB
7
Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9268ED06-67AB-408B-AA45-0023CEF1CD27
8
Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24E5423D-1093-4C46-B1EF-A193868D4CDF
9
Tao ny tena Mazava3[Izy no tena Mazava.] Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06AC8752-54C9-4428-A97C-2EE9DDF47CC0
10
Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01B75111-CF37-465E-BCCC-1DA44FBE59EB
11
Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3034B2D-519C-4B6E-8764-1A5B6C366C23
12
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5495A0E-96E5-4B0C-921E-562392F637C0
13
dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC8D04ED-EB8B-44A4-AA64-F471554E5671
14
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A3FA707-B609-4B38-BB89-EFAD33048E41
15
Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, stria talohako Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|487C57A9-5C30-4242-B1DA-D0BADEF541FB
16
Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52DCA3A2-FFFE-4CDF-BE3A-A1AA39C77643
17
Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBA6C93E-0931-43D3-AF5F-83FDF8CD86F2
18
Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A8E923F-F032-4475-A294-117470374F36
19
Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8D2CDAD-F50D-4133-9CBC-F0ED64ACAAB4
20
Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filazàny: Tsy izaho no Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|715D5BAC-3321-47B0-A5B8-83F7ABB79A62
21
Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va hianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E22A4BA-5100-4008-B07D-9C98117F1356
22
Dia hoy ireo taminy: Iza ary hianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CA5C4B-F160-4931-8DAB-4A5C7EE8370B
23
Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny làlan'i Jehovah, araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E3320A6-1B83-42B0-8E12-66049B38309D
24
Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B8F587B-FFBC-4FBA-A53B-A52572F7FF55
25
Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary hianao no manao batisa, raha tsy hianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2853E0EF-4E02-4E8F-AF0C-BB3280CB5B8B
26
Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8C6B96F-BCFD-4142-9263-CAB24DE9609B
27
dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62028A73-3E4E-4BA0-A072-6AB78BC85105
28
Izany zavatra izany dia natao tany Betania[na Betabara] any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|361EFCBD-D6DE-4DE3-9F39-315082F13619
29
Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra[na mitondra] ny fahotan'izao tontolo izao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEF90CCF-7C89-40B6-8708-98C156227A32
30
Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CA15778-E137-405F-B5D1-D0DDCBF58038
31
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Israely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ED7BDF1-2254-4AD5-8F33-EAFE704436C9
32
Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF2FC673-599A-4101-9C5C-13038078B269
33
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'y Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF8A7270-A727-46CF-93FF-D0A7856832AD
34
Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D99708E-0EEF-498A-9CDD-C7687695CCED
35
Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FC3FC5B-198A-4B2D-9A35-E00383679A06
36
ary nijery an'i Jesosy nitsangatsangana izy ka nanao hoe Indro ny Zanak'ondrin'Andrimanitra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A71FDBF7-3921-4E2D-AE2E-0233DF9DF2F9
37
Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57251951-7CA8-4015-A0E1-C855BD7915AA
38
Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô!), aiza Hianao no mitoetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA81BEC1-B588-41F5-896F-15798DE856B9
39
Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40FC458E-4DF0-4DCE-AD6C-02D58757988B
40
Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27D2FB17-9C2F-42CB-AEEC-3A188043B4B1
41
Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika ny Kristy).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C6713B6-F254-4ABC-BFCC-380D2D5DBD9D
42
Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; hianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika Petera [Petera=Vato]).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12E21CA6-5555-43E3-9ECC-2A7075B127FF
43
Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65D50E20-AB08-4C06-9A0A-6F63A5B984DF
44
Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F72ADA6B-68DB-401E-8C3E-3F7D47476D49
45
Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DE64276-EEAF-459C-BF65-DF5D709414E3
46
Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ADC0C74-F5DE-4B38-B391-F51309F79030
47
Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBD7165A-7730-431E-984A-476579501168
48
Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly azy Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CC6794C-50E3-4274-8776-B212806C16CB
49
Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADFD2C8F-6DFB-49FE-8B84-A66DF91A6155
50
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako eto ambanin'ny avivy hianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany hiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA7372D5-80A7-4B95-9FDD-1095507A30EC
51
Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|996B587F-1135-4661-AB4F-EE6A2EA507F6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany