Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C527460-999B-4227-90E8-3F8280C10DBC
2
Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6998BBC-699B-477C-8439-8A8DACAFD0E8
3
Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady, ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F0677B6-6C2B-4A88-A7D9-9DF18AE95E32
4
Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70593C45-9825-4A1C-8441-88B6BC7E9653
5
Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|733EE288-9C68-400C-B29C-AB91CCCDD860
6
Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31868F09-A887-4317-B086-DB8F652AD226
7
Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A7CF14-FCF5-4845-878B-503964BEDA3F
8
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4DA626-6C19-455D-9ED1-BA013C92DC4A
9
Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6B073D9-FB41-4EBE-8986-37FF1E777FE4
10
Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6249515-8F21-47C0-8CDC-E85DA857216C
11
Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FE5EBF4-3202-462E-8F60-3147E2D8AA85
12
Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|692F3E64-432C-4DA9-BA8A-F2C196A18186
13
mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBAC31C4-62FD-4E62-A070-F0B1C3D5A442
14
Izaho no mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|113CD575-2687-4E30-9E48-D3F3912CF356
15
dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|541B49FC-46F7-42E0-812E-8A90CABE6647
16
Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0B86625-EC50-4214-8782-18D51482870E
17
Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D1F661F-2F08-4648-A00D-80D8BD471868
18
Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17C0995A-550B-4E0E-A269-B3E09D249E12
19
Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B0C26A8-22D6-443C-AF1A-B81A326B3CBB
20
Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka very saina; nahoana no mihainy Azy hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7892A229-AC54-4D99-BC98-3D22F317C54C
21
Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9650825-82E9-4C1A-9104-45E9BA69909F
22
Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74B587AC-A479-47C3-A145-1EC31A9F9FF9
23
Ary Jesosy nitsangatsangana teo an-kianjan'ny tempony teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC19AC5A-FD83-449F-BF2D-4A76011CCAD8
24
Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAC18B4C-DE17-4410-B880-85DD8CC3FFA6
25
Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|138639CF-9FAA-443F-A185-008F98D5C55D
26
Kanefa hianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C56B88E3-D3A8-4AE3-8FFF-897A7333DF1D
27
Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77A3EC59-B5BE-45D4-A92D-F3355BBE95C5
28
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BB0A4DD-863A-4381-8C0B-0F46443844E2
29
Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82B2F74F-6B78-4866-A66B-3ADDE1A8C808
30
Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0491E42F-3B1E-486D-A684-D8403ED8C659
31
Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A46D6FD4-A261-45FE-AD56-73BFA469BFE7
32
Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A538E09B-BA5C-4F24-82C6-E22D6ED57846
33
Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C8DC9A-C5E3-484D-A21B-8312AB714C37
34
Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra hianreo? (Sal.82.6.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C662B1F-F07F-43E1-8356-8BD1320F19F3
35
Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe 'andriamanitra' (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEFC0FAF-142E-4922-84F4-7ECFA9E5643B
36
moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny Ratsy Hianao satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7069903B-701E-4304-B51E-CC9FF4D1485A
37
Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFC99193-7E6A-4F65-B88B-4E21A27BFE67
38
Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy miny Ahy aza hianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary izaho ao amin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C67DA32-DB8A-4972-9BE1-7DFF50547A4F
39
Dia nitady hisambotra Azy ny Jiosy; fa nandositra azy [Gr. ny tanany] Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF629759-126D-4DD6-BBA6-FA1B88747EE4
40
Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15D618A2-C19E-40A2-9F8A-44CF347C3A45
41
Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE7A4B93-F0C0-4328-BAB6-87F2D7F3387F
42
Ary maro no nino Azy teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A26D29A7-8739-4B42-8265-CEA11A7A6AC8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany