Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A11FAB85-C8D8-41B6-B089-B7135DE48BB6
2
Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin'ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E415657-29F3-41FB-9B6D-DA9F8791277A
3
Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin'i Jesosy hanao hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|901954B6-6162-49AC-9747-1766ED6882AF
4
Ary rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton'izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr'Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6892C83D-1889-4A5E-8F06-B69C1A6A3218
5
Ary Jesosy tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB27B3FD-3CDD-403A-A279-B208F9261CD0
6
Ka nony ren'i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin'izay nitoerany ihany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94BE35D7-198D-4A0E-9FF5-0D50B1F40DDB
7
Rahefa afaka izany, dia hoy Izy tamin'ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EF8258E-148F-4765-A0EC-9FFA9637C912
8
Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan'ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3DCEE0D-5E31-42A0-AA05-4B327776C2B8
9
Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89A0A64E-8BB3-470F-8105-835509CEB371
10
Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izy, satria tsy misy mazava ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EF23A24-3E33-4A47-A120-32F9E558638C
11
Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAF3EB77-AF15-4684-91B3-10E42FF8E94C
12
Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany [Gr. hovonjena].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFE3D916-D5F0-4DFF-BCFB-306021E26EBB
13
Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon'izy ireo kosa fa ny fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAC8FC28-11EE-4B7C-9565-FF927ECD6E9C
14
Ary tamin'izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3E20C5D-DF55-4BCC-AF80-EEDED4C0DA0D
15
ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; andeha isika hankany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3C49ADE-6577-4405-9A96-A30F18A528E7
16
Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin'ny mpianatra namany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|022CF407-704A-43FF-AE3B-DC23F53427D7
17
Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11BD0585-F285-41A0-A61E-4796FFDDE314
18
Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema, tokony ho dimy ambin'ny folo stadio [Na: telo kilometatra] no elanelany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C9CD90B-A215-41FF-8F64-BC670994A4EA
19
Ary maro tamin'ny Jiosy no efa tonga teo amin'i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin'ny anadahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA248707-A4E3-4586-BF1E-61FC05EEB519
20
Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|628F4208-AC53-449B-9ED2-E4D2DE216D45
21
Ary hoy Marta tamin'i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B46853F-F87E-431E-A02C-AB9121ED0348
22
Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra dia homen'Andriamanitra Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4106E4F-8AB1-4447-A0B1-38820FA7F655
23
Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D6630C-234D-4CA4-A85F-B40BBC44C1A8
24
Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17106A09-5AAC-4CCF-A175-91DB34D6CBEB
25
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F420DCAE-D01E-4E8F-811C-0C5C19FC0097
26
Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00AEB0C9-B658-4130-9FC9-0380E78A41BB
27
Hoy izy taminy: Eny, tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, Ilay ho tonga amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C59A58F-DC85-433B-9D51-A6825F9D7FED
28
Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an'i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDC66BE1-D1B8-4E0E-A824-83347D6A9F04
29
Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB693E94-3A3A-4819-BE18-983F13F24C28
30
Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin'ilay nitsenan'i Marta Azy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EDDF5E5-F2E7-44AD-B8E4-AA6F90698E69
31
Ary ny Jiosy izay tao amin'i Marta tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|390332F5-D9F0-468B-A8C2-257987431B14
32
Ary Maria, rehefa tonga teo amin'izay nitoeran'i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin'ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao dia tsy maty ny anadahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61935BE2-F45A-436A-A8C2-534BA29AC8D9
33
Ary Jesosy, nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81731DD3-3899-4F1D-AEA5-AA346D277277
34
ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|817C3529-02A7-4DD5-8CF3-3BD291A7C66E
35
Jesosy nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5960068D-2034-41B6-AABD-A41935D5876B
36
Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben'ny fitiavany azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CA8CABB-C8CC-43C3-9F56-A3F7FFBC27E5
37
Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain'Ilehity, Izay nampahiratra ny mason'ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D26EB49-93C2-4912-A9EE-594B025DCAC5
38
Dia vonto indray ny fanahin'i Jesosy, ka nankeo amin'ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9473E204-B940-4E5F-A1AF-5EF601A3C45C
39
Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin'ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD1C7DDB-A5C3-47D5-ACD9-A6AD281BB06C
40
Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DBF5465-BE58-4BA0-B715-188CF9DADE87
41
Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|415CE106-7EF8-4450-B580-AC3D49D7655B
42
Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77FEFEEE-CB65-4617-AA13-644CD0F4BC17
43
Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD913FC3-E5C7-4AD1-A08C-DAB32AE782C1
44
Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CF89218-5EE8-47E7-AF4F-EE85E8D6A6F6
45
Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A33A53B-3A38-4401-AF43-7575E9B65C84
46
Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79BB53FD-FA72-4397-9556-32E1B10B84FD
47
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9E40D86-BF75-4AD8-B19D-744686095B56
48
Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5379697-D741-45DD-ACBB-120461BB639A
49
Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronava tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62E2B9BA-94DE-43DC-A1FA-5E3F334D2DC9
50
na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73F2AF4B-F3A1-4862-85F5-7E8B4DECF2BD
51
Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|816F6184-3421-4B2C-A12C-F5B0DE78D899
52
ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CF150D8-495B-4671-A8F8-208210B0ABE3
53
Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24307CB7-DC18-45DC-B4F0-FDAC4060FC0B
54
Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37243576-54CC-4A9E-8441-22B4272A0EFA
55
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B69249C-A9E5-460E-B27D-9C1D382E507A
56
Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|356066E1-254D-465F-AE3A-74988159C07A
57
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BBAA630-8A5F-45E4-964E-FE17B73DFDC2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany