Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F4712DA-1E93-4005-AE31-5E0786EF4EE9
2
Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71397E8A-2384-48E3-B122-E167D81A6312
3
Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83DC7D0D-7D40-44EF-9268-617726F9884C
4
Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA67A03-9816-41D1-BEF9-CA520FAB20A1
5
Nahoana io menaka io no tsy hamidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5283C06-C2F3-450B-ADF7-F6240B1FF827
6
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BE713B9-0E4D-436B-9284-9A20B7471844
7
Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A146BC7-8A3D-429A-B994-0F2BF2A1758F
8
Fa ny malahelo dia ety aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho ety aminareo mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBD1FFD0-7C8E-47EB-AAD8-28D32AA81D8B
9
Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20D5AE62-9919-4E05-B04E-BCBB67415CC8
10
Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04EE55BE-7F7D-4B0C-8006-8037424281DA
11
satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8F085A5-72B7-4177-8E34-586E3DF06101
12
Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23F82E68-FB96-4585-BC78-D215C1776CE8
13
dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47D2CF63-02E2-4AD2-B212-6A9A8D5165DB
14
Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA977699-36CA-480F-96E4-06B7D07E3326
15
Aza matahotra ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zanaboriky (Zak. 9. 9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|767559BC-6B15-4E58-841C-217A78C5D8C5
16
Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38541AE7-76FF-4C4C-9492-1A83C17909C6
17
Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|702B5E51-4025-4377-87B4-75E177F35A77
18
Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|705574E9-D715-4F8E-87CC-36A4D3D30159
19
Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory hianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|632F8CFB-1C25-48AE-AF8A-19DD5CEDEB45
20
Ary nisy Grika sasany tamin'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BC37A50-104C-4290-8F89-40F346E8C1FF
21
ary izy ireo nankany amin'i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64F3431D-6E5F-4C7B-A1C9-34D2EE032439
22
Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4481372-5BDA-458A-AA5F-D81E77B0F4AA
23
Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E009148-6A82-4B9E-B362-0D955943F1F5
24
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14EE4763-9695-48D8-8DC0-FD2270BA1892
25
Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80B29289-AF58-403E-8BB4-7A37BC65E702
26
Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEF73A33-90DA-483D-91F1-AA4D8477AB09
27
Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04A6786A-869F-4889-BD1B-058982227FFE
28
Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza Azy aho, ary hankalaza azy indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F558187-531B-445D-8646-09FD97EFBE56
29
Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAFA1384-F6D9-4729-BA08-14DDC4B3CCFD
30
Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho izaho no nahatongavan'izany feo izany, fa noho hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|791F78FF-4ED8-4383-B217-69CF0EB4B282
31
Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EB082E4-D333-4B5C-8DE0-1DA9C8BC7C91
32
Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16E391DA-C6BD-40E2-AD6F-508B14D16651
33
Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AACA8AB-5284-4540-983F-B18858DF22F9
34
Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F14E9C4-1365-48ED-94F0-7E071B525EEA
35
Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany ny hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|551F06FC-6EA0-47A2-BCEA-A5488AB44AF0
36
Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|925D7501-38BF-403F-9779-B26012284B87
37
Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5AC1A0F-72CA-4609-9030-493AD12C4A70
38
mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisahoana ny sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDC727DA-A69E-46CD-8A8A-E53EFC09DF05
39
Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1354B98-D27C-4354-8E98-2F438085BC61
40
Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82AD178D-5D3B-49A4-A4A5-489DC6A18285
41
Izany teny izany no nolazain'Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D21C35C-A3A1-4161-AE84-05412EBFF371
42
Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8B7D964-64B2-447C-BD0A-D97F4CBC1374
43
Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB202774-C387-4FA9-86BB-2D8F381B732B
44
Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F11FF758-D4FB-4785-B943-681FD25AA660
45
Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC7737FE-1E32-41DF-80E5-F87E0AB1F304
46
Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B43FC8BE-D3AF-40B7-AB35-BCA8CAA8ADB8
47
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16AA2E37-C647-4B94-BE50-40AE6BD2CC80
48
izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|665CC961-D769-48FD-B06B-D776BA9E84E5
49
satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CAB8CA6-A027-47C6-B712-A259A1FCB6CD
50
Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BC12ACF-1C88-4386-A016-BB48082944F2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany