Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4215DD2-AC42-4663-9C69-1F8FC10C80CF
2
Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A379A7C4-5096-426C-AC43-86A6E309BC90
3
sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6E39CB9-53F5-4A38-A2C4-55A9DEFF68E8
4
dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B92ECFB8-C30C-41F2-BC52-37ADC9FE1D19
5
ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F064E40-6BA4-4B36-9739-57C6CA5D9347
6
Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E03598D-D488-4E60-A673-790447B9D82E
7
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83A4491D-6E8D-4EF0-A35C-30D622EEBA65
8
Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54A2A6B4-BF2F-455F-9F34-FC9E791CFB49
9
Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tànako sy ny lohako koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B539187-06F7-4C4F-804D-E4AC6DCBAF99
10
Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary hianareo dia madio, nefa tsy hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76612AE1-4132-4852-96F1-4794BB1BAC30
11
Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B4E2454-BF60-4D73-912B-06032A7BA58C
12
Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7A7F8E8-B222-4A4A-89F8-23B40CDB2526
13
Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D861EDA1-869E-4CBF-BA27-2D0AA93AB070
14
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29EF432C-7BBA-4C0F-9163-9272DEB5C8A5
15
Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B0EC28-2F2A-4F6E-86DC-9388A77D8E5B
16
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AFB9CA-E646-44C7-BF6B-D9B9A9448693
17
Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3DE03FB-3897-4EA1-B9D1-3A6667F85F92
18
Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko [miara-komana amiko]. no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2288D8CE-8993-42B4-979B-C38C97759326
19
Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|367DA0FB-94B1-4E9A-9CBD-37196D5FCE33
20
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44590A96-1282-43EE-A16B-072C0AE8FB0E
21
Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A71ED671-D1A0-428C-96B7-49F892AF9720
22
Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B87CD55-ADC9-4165-8AC9-ACCAD4EED475
23
Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40C6190B-A30A-4650-8103-D8AD46D92448
24
Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F7B808B-8682-434D-918D-41C53EEED059
25
Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14F51EE4-0CE7-4E39-A255-158CD2D75AC9
26
Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D1A607B-5DC6-44FB-A5E4-4C44A902D049
27
Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04D2B762-E233-41B3-B916-06D2DBECB50A
28
Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABCF63E9-BE19-40A4-959A-B7541325613A
29
Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A21E38C9-367A-4391-B89A-D0F9CD6F6AB1
30
Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C1AC0F1-62FD-4F37-A004-29DACAB8C540
31
Ary tamin'izany, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD88FC58-35D0-4297-AFF9-B9340115717D
32
Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433DCB90-7505-4860-81F3-851D9253A42E
33
Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy hianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: 'Izay alehako tsy azonareo haleha,' dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37A0F1D9-9EAE-4B27-B8EB-2EBFC9BF786F
34
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0A2018D-70CF-42CF-90EF-E0F49230E3DC
35
Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53E3E1AF-29E3-4B27-80FB-27185DC092BA
36
Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany hianao rahatrizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0474B8C7-1DE1-4F46-8346-7A23D17A18AC
37
Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na dia ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CA6A9C3-B972-4430-A934-6793ECB10937
38
Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31890E00-0CCF-4E13-98F8-25953C9DFC30
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany