Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18E51147-59AD-4297-9598-03FF55168AB3
2
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|210954C4-8687-401A-B1BC-F5E1F3A38F3A
3
Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84B94D87-E168-46E3-863C-AAB844ADB746
4
Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay halehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FDDD62E-6896-4919-9254-7AF2B79CCB7A
5
Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3FCDC51-B27F-42A0-9E9E-B7FC8DFF8566
6
Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEF2BAEB-3226-4CDF-86B4-F0C1CD298C3B
7
Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C229C20-E797-4DE6-8C49-8E0668674CD0
8
Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A23C8BF-DAF7-4C61-B2CE-A4D5D8C8271C
9
Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D2F5CCF-FD08-4C49-8D8E-A96C04A4710C
10
Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|417E1CD3-29A9-4E7F-9338-D11A97365F96
11
Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F648677B-FB3D-463E-9CA4-EE1713F81D6A
12
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634CC09D-BC58-4A77-963D-C03520EA0703
13
Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FC102B2-C290-40B5-AF6B-73411264A4B9
14
Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E54C2A16-0F26-4027-8C2A-9B4E2C152917
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany