Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18E51147-59AD-4297-9598-03FF55168AB3
2
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|210954C4-8687-401A-B1BC-F5E1F3A38F3A
3
Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84B94D87-E168-46E3-863C-AAB844ADB746
4
Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay halehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FDDD62E-6896-4919-9254-7AF2B79CCB7A
5
Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3FCDC51-B27F-42A0-9E9E-B7FC8DFF8566
6
Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEF2BAEB-3226-4CDF-86B4-F0C1CD298C3B
7
Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C229C20-E797-4DE6-8C49-8E0668674CD0
8
Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A23C8BF-DAF7-4C61-B2CE-A4D5D8C8271C
9
Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D2F5CCF-FD08-4C49-8D8E-A96C04A4710C
10
Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|417E1CD3-29A9-4E7F-9338-D11A97365F96
11
Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F648677B-FB3D-463E-9CA4-EE1713F81D6A
12
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634CC09D-BC58-4A77-963D-C03520EA0703
13
Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FC102B2-C290-40B5-AF6B-73411264A4B9
14
Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E54C2A16-0F26-4027-8C2A-9B4E2C152917
15
Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EEDAD30-F740-4777-81EB-101C0AFC6630
16
Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4D134C7-BAC3-4C64-A957-4DB796897AFA
17
dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D073AF02-8A86-40C0-A9A9-E6E41FDB5DA6
18
Tsy hamela anareo ho kamboty Ahy; hankaty aminareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC72AA90-BEBF-4DD0-80D3-EF6AC96EFD64
19
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E51E97C0-516C-4C47-9690-E70815838F5B
20
Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DBF4F3F-5790-4298-942E-66EC5B1D247F
21
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC67590F-DC5E-453D-83A9-520F883C9C27
22
Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7D979B0-3E82-4360-A9A7-8DB0766D01CE
23
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30AAE0B6-92C2-4BBD-B03F-DB95E87466EC
24
Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray Izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0438CC4-AC89-4433-9385-6DAAA5E43130
25
Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24CD7506-18ED-419F-83BF-358E836317F8
26
fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F93C5BB9-0E87-485B-812C-52143D20285F
27
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AC5AAA3-FC2C-4841-8799-AC60016BA36E
28
efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy hianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CDC4301-694B-4B7B-9010-28AC3482CF11
29
Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEBBE6B9-BDC8-48E5-A689-5F714E6D10EE
30
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81C6C75F-3078-40D1-9B84-9EE5E1956CBC
31
Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izy nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D7F7ACA-E7E6-42DC-B972-9730F2858E2E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany