Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rahefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4C1DE62-4E13-44C8-8D56-8135CD062B54
2
araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB36E0B5-B413-4B0A-BF42-539F20686B52
3
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3F854FA-AB52-43EB-9F4A-764DB8D480DE
4
Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|715B3778-08A7-46EF-A91A-6C4F65362094
5
Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra hiarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B761BD58-C09D-4F6B-9713-6D0EF8C16DB3
6
Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E083F69-CE7A-41BA-ACD7-15BEE235E15B
7
Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D16E6DCB-D14F-4546-985F-A3EFEA0CFD51
8
Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|927AC9B3-EACA-4561-A4E2-AE0284D8D2DB
9
Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63B6B239-0B39-47CC-93BE-BF29856787CF
10
Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazana eo aminy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10FE0C0A-27F9-47BF-B3FD-0CA58CB8D9D2
11
Ary tsy ho eo amin'izao tontolo izao intsony Ahy, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A24A9D0D-2AE6-4373-8A41-FE809E673B42
12
Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08DE1D19-7DCA-4404-9497-A6793AB48F79
13
Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0D312A5-9BF7-4495-8598-0D3CECF3C6B7
14
Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19F1E309-F88F-4E22-9E22-2E9C7E458C59
15
Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin'ny ratsy. [amin'ilay ratsy].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F033195A-4C5E-4CC7-9DAB-8FC99B7A9325
16
Tsy naman'izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F587186E-4509-4369-B420-5FC1C962258B
17
Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B28DD3DE-4E2E-4833-8E67-F79AF4E92ECD
18
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|464001CC-82CA-4AC9-B46C-06E1DFF66551
19
Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF651860-15DC-45C2-9CFA-0CADFB244CCE
20
Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2530C4E3-7025-478E-99B1-4346BA57AD4C
21
mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3881ED00-40AF-4028-AD19-AD8414E23881
22
Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51BB739F-146B-492C-8F4E-3F12CB2BF7C6
23
Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4E7F3B7-7151-4BB3-A2ED-E50811DCB165
24
Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|980F7921-C920-40EF-866B-C53FC18F6466
25
Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BD8770A-6C87-43D6-B0D0-0A1A4040EE29
26
Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E274CF53-801E-47B8-AF74-BA4E8FD802C5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany