Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF28BA1-61E8-46C8-8BDB-93DEA1757B93
2
Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D75B9403-FA06-4F52-A248-E4F466A17FFD
3
Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B71B7D9-B327-4B43-8B3D-B0EC76EE906C
4
Hoy Jesosy raminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9816098-8F94-48F6-8E2F-008C4C19D306
5
Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDD67D6F-DD33-41B1-83FB-4F9F9DD33F9D
6
Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8DDF38B-6500-4AEA-ACD6-2FB58CD18D74
7
Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D432F370-08A2-4135-8C95-F016AB898676
8
Dia hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2D99C94-D8B4-451D-961A-C97291E8CA04
9
Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97973FF2-BDCA-47AB-8DC1-2F05D98A4BCE
10
ka nanao tamin'ny hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa hianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|652EFBA9-F4A7-45D8-ABB0-4A89C2000A52
11
Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF614B7E-F577-47D0-BF35-0ED9FEECB34B
12
Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F790BC07-BBEE-41AE-AECD-F4F141F6F266
13
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EF0A4E8-C5A9-4CE5-9FE5-D88B0135A516
14
Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BDE715E-F423-4A8F-850A-84D4ABFB86A4
15
dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F34372-EBB8-405B-A5E8-56654F5C2BF5
16
dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|325C84C1-3327-41D8-8A78-CEF80402AAC8
17
Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69.9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D24A3B7-58B1-4AFA-9789-9D1E0672BA01
18
Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEDC1EB0-200C-46A3-9375-3450D4E622C6
19
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF4C7DDE-1B01-44F5-B97D-0EC5ACFAF9FE
20
Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|211C8FE8-3F28-493C-9628-3A8C281FAB63
21
Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0588931F-6C52-4F03-BC3C-D7A916854E34
22
Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8CE785B-BEE1-4AFC-AA36-0812F4928A39
23
Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia tamin'ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0650BF38-9023-4BA5-8D96-5886D3D3EFE7
24
Fa Jesosy tsy natoky azy, satria izy nahalala ny olona rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42E8267D-62E1-43FA-B733-570A87BDF5E6
25
ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7079CE5B-D303-4F2F-BCF9-F5CF5BD59C6A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany