Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita vato voaisotra tamin'ny fanasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B5B0905-BC49-4CCC-A676-0CBD8DB5CED7
2
Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81D32F51-BD16-496D-A8FF-64D80FC8A078
3
Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3AEEE4D-7A13-40DA-ADEA-D10D3408AFD4
4
Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4F95155-37E9-47CE-8830-E97AFCCD78AB
5
Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C53DB26A-B75C-4978-9D09-6C63F80DA771
6
Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DA8B5A8-AAB1-4CCB-9615-A9D6935813CA
7
ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A91BE78-DB90-4923-A732-E69E7551E4B8
8
Ary tamin'izay dia niditra koa ilay mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E225FA11-F7B6-4F34-B235-C108311DC4C3
9
Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F59DBAEF-2CBD-4936-BEB7-40165E1EAE6C
10
Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9398C31-A2D5-41FC-A48B-52A391661B7B
11
Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71885CAD-71C5-4C42-AB9B-B914DACAEEEB
12
ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7709D487-4488-49D8-ADC7-580AF31682CE
13
Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3912676E-C2D1-4F1B-8618-5B8E2D242511
14
Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92746004-D5C5-431F-9C90-3FCAA5579A9D
15
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF5DC6D2-FD6F-4D15-9392-BA31ECAD9AB4
16
Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|608EF7A1-197E-4625-A988-C8AA26E3A096
17
Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|999D03BE-105A-40DD-BB0C-DFBC4E80AD11
18
Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoa: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1770D9D7-A9AD-42E4-B2C9-388ACA25FE27
19
Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorana ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC506335-DDA7-42D2-91FA-559981BDA7CE
20
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC459B29-751B-4ACF-953F-AD7EE0EE140D
21
Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBD14FE0-C6AE-4765-867C-4C308A78EABF
22
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DE5E600-7450-484B-A355-5B8EEA058D74
23
na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavle izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0014AEA-1F9D-4189-B4B4-87FF545AA26C
24
Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11C73D48-526E-4BD3-8FC1-92A9E96E0610
25
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61BEABA0-D4CA-44F9-91F2-3C37A3449BFE
26
Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F6C2334-87F6-4D3A-B115-9C20378F7D27
27
Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11030160-DDD4-4897-B588-6383524AB543
28
Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamantro!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0300A524-C1A7-4A18-90E8-4AA3C2D5C0FE
29
Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C6E859B-3544-4C22-9DCF-BF7140B2A261
30
Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8049C540-AD66-442A-83B1-0E5435D3BE57
31
fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A93D31A-3603-4C2D-8F36-0BE0EDFCF608
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany