Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAA2EFF6-9FF5-41D5-8BD5-9C2A93DF30DA
2
Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpamianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3985F8F-EE14-4E54-BFEA-249A299D9911
3
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A60236-61B3-4498-BCCA-477BBA590A30
4
Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E20AD3ED-B1D9-4600-A28B-B368C09F8EDB
5
Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C873DA5C-E8CE-4A19-AFD5-96A18FAC1770
6
Izay aterahy ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEE5BBA6-6E25-4DB5-812D-211F45BCA1B5
7
Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ED8AC28-860A-495A-BB60-24CF09AE9909
8
Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95C28C42-793B-4C01-8AE7-9B6E32A6F80B
9
Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|764FA16F-B532-4AC7-8458-640897A54E32
10
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatrra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E09812D-7E1F-44F8-B114-0996E4B44E50
11
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBA23DCB-D4AD-463E-BA39-E8D14729CD69
12
Raha ny zavatra ety an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana moa no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53BC5BDC-61CE-48F1-9853-8984D396EF0F
13
Ary tsy nisy niakatra hoa any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ED25CED-5BD4-409A-8909-10C50AA4BEBE
14
Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C3DF874-7D85-47B8-9233-19B7B2F9C224
15
mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|675CE243-C708-4CCA-B3C0-EC579F7E6CD9
16
Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFD3476D-7FE6-48D3-84C0-2781B9DF3B1F
17
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BDE8E31-C683-46C6-8F50-AC32FA3BAFE1
18
Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A501C65-1B37-4D12-BC1E-0740257D0916
19
Ary izao no fanamelohana, [Gr. fitsarana] fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5892F84D-30A1-4125-9DBF-95323E615BE5
20
Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB7538F2-B5AD-4CDD-ACBE-F91D64867979
21
Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9934ECC-F2B9-47C7-A38D-2E27F270A6AB
22
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101EEB8D-AC93-45D4-B5BB-BCE2877F0988
23
Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2EAB00C-45B7-42EF-AB49-875FD6BDC122
24
Fa tsy mbola natao tao an-trano-maizina Jaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E6AE10A-AB6C-4CF9-A7AD-9B07554FFAFB
25
Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C68313E6-350E-4F82-9A6B-41EA8DAD260A
26
ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô,Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA39E0A5-F50E-4693-8183-C593BC3763E8
27
Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0A4E8B1-989B-449F-BAA3-A2F8CE6BA92E
28
Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC4259A3-AAD1-43B4-9DF7-ED6E7A178B2D
29
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A24D302D-DA38-44D6-892E-346D3D86B8B0
30
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5701D0D1-9CC2-4B14-8926-2B991A0DCF25
31
Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2E96197-41EE-4746-B896-AE14BC292045
32
koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|210D77F1-CB8A-49BE-8245-8114878E0EE1
33
Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B15A29E4-3AE9-44EB-86CD-3A2354081374
34
Fa izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA1AA083-018C-4AEC-AE52-CDEECE69E2C0
35
Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9DC1CB3-4728-43BE-8E25-984C01EA23A6
36
Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59668157-7E53-416E-A0AC-0E1B89F792C7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany