Andininy Protestanta Malagasy 39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanĂ na izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko. 40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy. 41 Ary maro koa no nino noho ny teniny 42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
|