Jaona 4: 46-54

Andininy
Protestanta Malagasy
46
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2CCA3D3-A515-4585-BD07-A0A855C6116F
47
Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hanasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|466DB884-6F5B-4A02-89A3-DCD3ABCB9B5C
48
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8457F25B-69B1-4909-9206-43F814D476DE
49
Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD4760E6-D01C-49B4-ACF4-56C9B420EFFF
50
Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F15A507-5313-46D4-91B1-52BBC83B837F
51
Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|508EC02F-F513-4AF4-A968-38F6E688D561
52
Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E65A0E2-BD20-4CA7-9B73-AFAD5C44C724
53
Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1585DAB5-B12F-4577-AC44-F870B63E3299
54
Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB406C7E-55CA-4067-B348-C36852DCEFD5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany