Andininy
Protestanta Malagasy
7
Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano; dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|101D75A7-48D8-4E40-A776-B9718B36D7FD
8
(Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFBFB4F5-DCA3-428A-B8EF-E32F1034D3E0
9
Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|505DE9D4-EF76-47F6-864A-A120E71E4076
10
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia hianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C047879-7B4D-4390-BF8B-C0BD0E6B2AFB
11
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F4E9EA5-2152-42B5-B25D-50DDA06811B8
12
Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7918277B-2601-40F4-AB17-EB45CCE38AA1
13
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBC689D6-F371-453F-8376-B28B879A42ED
14
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A20C07AF-20B8-467C-ABDE-E9B24B16C70A
15
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80096FBB-E547-4C40-A48A-E10DBDF04DC6
16
Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa aty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A79C0DAE-F51C-47F2-B7B4-7D918A46CCB2
17
Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDB082FB-7163-4288-BBED-2E27F24BFDA4
18
fa efa nanam-bady indimy hianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05B5D264-4973-46B9-8C2A-B230056B9966
19
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC97A766-D8D4-43D1-B299-77024CDF6768
20
Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D49C0EE3-0AA9-46EC-BCE9-6578D187B0C4
21
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C11C081-748C-464F-857A-01866CCE2623
22
Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7851854E-DFB6-4ADF-9CEF-4A19F378A4B2
23
Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DFBE77-4A7D-432B-B007-6C3BC6137D0E
24
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6C58177-0E08-4142-9085-620E4CEEA01D
25
Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19526D5F-25F5-423E-995A-00B76DEDDB92
26
Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|736BF58E-FC50-45C8-A28C-BD9DB68B238B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany