Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F8D8D5-EC90-4EA3-847C-404733AC2A50
2
Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D362216E-44BC-404C-BCFA-083A7F392048
3
Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.[miandry ny fihetsehan'ny rano
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FAA5D50-E345-4F1B-9836-5DED5DF132DE
4
Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona no aretina nanjo azy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18D95B0A-56CA-4828-96A8-9F3AC40DD232
5
Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE7C51AE-1043-44BB-AEDC-17FA4C224E90
6
Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C0B4A98-1417-4691-8AC3-A1EBA4374D37
7
Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C0FF66-ACCD-47BB-90DC-A83F8DFA2C10
8
Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D37CB23-787D-4958-8A3A-1036EBA4C979
9
Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD4C93A3-027A-4E5A-B106-A38D1E1CD57A
10
Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC94C576-F3B6-4156-93D0-6DD1A6BB98BB
11
Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ADCDFC6-FE46-4C13-9E45-F4FA62B26329
12
Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9EA792F-0191-477E-8A8E-3FAB8812C3AB
13
Fa ilay sitrana tsy nahalala Azy; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0463736-AA49-4E6B-A5F9-248795589935
14
Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana hianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA9B4C1D-303C-4D05-8A51-782A36D32200
15
Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|909629C4-1F27-4CE4-BE54-07826458E68D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany