Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan'ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F8D8D5-EC90-4EA3-847C-404733AC2A50
2
Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D362216E-44BC-404C-BCFA-083A7F392048
3
Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.[miandry ny fihetsehan'ny rano
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FAA5D50-E345-4F1B-9836-5DED5DF132DE
4
Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona no aretina nanjo azy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18D95B0A-56CA-4828-96A8-9F3AC40DD232
5
Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE7C51AE-1043-44BB-AEDC-17FA4C224E90
6
Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C0B4A98-1417-4691-8AC3-A1EBA4374D37
7
Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin'ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C0FF66-ACCD-47BB-90DC-A83F8DFA2C10
8
Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D37CB23-787D-4958-8A3A-1036EBA4C979
9
Ary niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD4C93A3-027A-4E5A-B106-A38D1E1CD57A
10
Dia hoy ny Jiosy tamin'ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC94C576-F3B6-4156-93D0-6DD1A6BB98BB
11
Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ADCDFC6-FE46-4C13-9E45-F4FA62B26329
12
Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9EA792F-0191-477E-8A8E-3FAB8812C3AB
13
Fa ilay sitrana tsy nahalala Azy; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0463736-AA49-4E6B-A5F9-248795589935
14
Rehefa afaka izany, dia hitan'i Jesosy teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana hianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA9B4C1D-303C-4D05-8A51-782A36D32200
15
Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|909629C4-1F27-4CE4-BE54-07826458E68D
16
Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an'i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30ED16E9-3002-4F41-8794-103BD665F67E
17
Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|432C1CE2-F802-4F76-8680-318DD66BF538
18
Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E34E4ADF-6BD4-429F-B4FC-F6304729582E
19
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa ny ataon'ny Zanaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B95BDE5-2C34-4060-AFD2-913B300CC68B
20
Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E155911-3886-4EBB-9DFF-9F8273045191
21
Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27FF0A26-B4DC-4F1A-87EE-DB0902E5A68F
22
Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D039807E-A85B-43E5-B56F-4E4E8028ED11
23
mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB78DCB7-1695-4B9E-81CC-95C1B12DEBAC
24
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65017038-DE54-40F4-BC4A-E0CCA48FE1B1
25
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra: ary izay mandre dia ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CF02A0D-E7B4-4FA5-8A65-90BD6876278D
26
Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70798286-6CB3-483A-AABB-AE6D3264B55C
27
ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09CD89C7-8AED-46A5-B23C-318AA984F7C5
28
Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAA7A418-BE38-4FE3-8D9B-5E4B3E8CB32E
29
dia hivoaka izy: izay nanao ny tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho fahamelohana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AAD5AEF-A1AC-4A0C-995A-9026508DB03E
30
Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon'Izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84DDB847-A184-4EDF-85FE-6125730EFF5B
31
Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C3CB69C-CE95-432E-9918-7E490840312C
32
Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|875A72CF-CE58-4CE3-9EE8-AD1B86390E44
33
Hianareo naniraka tany amin'i Jaona, ary nanambara ny marina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7DCA754-DE18-4433-81EE-55C29E5690AD
34
Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin'olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2602524B-57A5-47F0-95FB-20A1131975A4
35
Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety [ora iray] tamin'ny fahazavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A1F5EAF-1B09-45BD-AF90-7E4DA99D2CDA
36
Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen'ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin'ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C918F9AC-1FD2-4C1E-BEF4-E8976CD091C9
37
Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0808F7B2-81A5-475B-AFF1-88DB72A7C235
38
ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C1C248-30CC-4E8D-A6A4-72915D4C3C2D
39
Dinihinareo [Diniho] ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBB53245-2FB3-47EA-AD05-BCAA43A2BB91
40
Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6A7451E-3E91-46FE-B3FC-55B83ED7B164
41
Tsy mandray laza avy amin'olona Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|113A6240-2E9C-47DF-A355-7497DA73A254
42
Fa fantatro hianareo, fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao am-ponareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB404A6D-21AC-4E22-BCBF-4A14E716429D
43
Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|118BFABC-2154-42C2-8DF2-81DBE4BC0344
44
Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98786D69-8462-4309-89AE-D0524003DB46
45
Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCDCACAA-5B82-4C1F-857D-91F25992E40E
46
Fa raha nino an'i Mosesy hianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DA1E079-A7F2-4CEE-8D1A-8B2007ACF73C
47
Fa raha tsy mino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD3D6ABF-6175-48D0-A3A0-A425A702088A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany