Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE7314D0-7074-4801-8185-F330C99C9491
2
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|272E9A14-DA2A-4896-8B8C-757FAE063C1C
3
Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|390F9AE5-09D4-4123-AC85-8468DEF83FDF
4
Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro foravoravoan'ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E7E753B-8C0F-4119-B8F6-8117AC383823
5
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59D52931-48BF-4508-98C0-37B0087E61E7
6
Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD6F655D-DF24-4D31-BD4B-44DDEB94995D
7
Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|801F35CE-B161-4D97-959A-F726B64A7FA7
8
Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91FF7B1F-4060-47BF-B4D4-1CA97162DC12
9
Misy zazalahy aty manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D514B05-F25A-4D79-B115-856BAB83AA8A
10
Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F33C134-FCCA-4361-B47A-8E500E1C39F8
11
Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CDEC133-20C0-44EC-A4DD-2D770AF9A595
12
Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy ho very.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF2A4805-39E4-466F-8CBC-16C497B3B5B2
13
Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa amin'ny folo ny sombitsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7A2AFF6-1DE8-48CC-94B5-31FB5D9D790E
14
Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izahy ho tonga amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D7B63C1-E478-444E-B7B6-D0EFCB9D21BB
15
Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBC21829-BAE2-49BE-BD01-F1947D30B561
16
Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88E61EA3-D8DA-4E79-9DD4-2B3D4B245EA1
17
Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E81C205D-19D7-430B-87D2-CB98F2709E15
18
Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5A05E0A-B54D-4A65-A8F5-13122CD5B71B
19
Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio [Na: dimy na enina kilometatra] izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangatsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F873B219-2E1F-45F6-9D99-CE4E2BF00F07
20
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D45568AF-3E1C-4BD6-93E8-A7F29B11E7BF
21
Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F12BAA7F-FBE0-4E65-8200-1A0720663CB7
22
Nony ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7257001F-78CD-409D-807C-7EB68D394641
23
kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany mofo, rehefa nisaotra ny Tompo, -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1A7ADC5-FC46-437F-AC2D-478EF8E38877
24
koa nony hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABC9E0A3-7F92-40E2-8D1E-11370E9FDEF4
25
Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCD37698-208A-486A-9932-8BDDD0DE722E
26
Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F7B7A3F-7CB0-4899-8D64-A63650C15527
27
Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03A3FFFB-8F9C-4EAC-9136-6C3DF8FB49D2
28
Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA790709-BC48-4E27-A98F-37413F4628CC
29
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|085F5E51-ADCC-45D5-AE55-13F090F32DA5
30
Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa ny asa ataonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19385450-FF0B-492D-A0F5-947394BC8FEC
31
Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE36484E-D8E3-43C1-A267-5FA3477BB46A
32
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BF18474-FE89-4B52-8993-AA5858039589
33
Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE3FC34B-5B76-4904-AD5C-D8727A97BD5F
34
Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4D70940-8430-415F-8B33-51BFFF7D13C9
35
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AED743B5-7604-4594-85A4-700F74364C7B
36
Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany hianareo, nefa tsy mino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|131D8999-9A3A-4EE7-88B5-D9C0D6983D5F
37
Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36D3560E-B19D-4CC5-B311-A3914B9E1E40
38
Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'Izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AC50FF9-F29A-40AF-BF84-25878138F563
39
Ary izao no sitrapon'Izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F28412D0-10F5-4CEE-9CB0-8FE026438A47
40
Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8009B4CF-2B33-4CC8-B495-E4CECC06B55F
41
Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03F7E33B-9219-4AA4-B6EB-2528732F9FE7
42
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va ny Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainay aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: Izaho nidina avy tany an-danitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17E0BB81-4589-43F0-82E2-42ECE7D94F26
43
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0D9D81E-5C81-4908-9FF5-F005241752A2
44
Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC7EC1E8-2B14-4CDB-9991-244EF87F9552
45
Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEF08440-DDB3-4597-B877-BF658113EC05
46
Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBF52017-1E80-4DF2-A19F-12A95E4EBB85
47
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DBF2FEF-DDC0-439A-86A5-7527312BE859
48
Izaho no mofon'aina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF62DC09-D966-4CCA-B88F-1D5067AF8E12
49
Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AE0C772-EB0F-461C-877B-8FFD7FCF76D6
50
Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DFB6B40-7B8B-4FC3-BBF0-60322E93A45C
51
Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|633B3EB4-531D-4CF4-B2B0-B72B9CC44A04
52
Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'Ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E36DDD1-33B6-4C6D-98D2-5B6D90FB696E
53
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|009F1E65-8524-4A47-8E4C-885441FA62F8
54
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6A91C78-680F-45BF-A87A-39038285D678
55
Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A72DF825-6F1B-4375-B359-BA749FD521A1
56
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFD82AE4-0BA9-4EA8-AFB9-1751F52FCDC6
57
Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30FB8014-6F55-4E3F-99E1-65E05D5B61C3
58
Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0C49BDA-EB8B-4A53-B681-1BCB94BAD12F
59
Izany teny izany no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDE9DD67-8AB0-44D9-987A-3DF2D30EC2AA
60
Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C56DE7A7-2BF7-43DD-B557-1E5D61F36894
61
Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF4831D6-647D-4627-AC89-9790C3EE0A6C
62
Mainka fa raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA465F5C-600A-47B4-8B83-84197B3188BE
63
Ny fanahy no mahavelona; ny mofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBDCB996-F24E-4DBD-A5F0-80DE5FC2DB90
64
Fa misy sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49345B19-799E-4309-A918-23B6B51E64BD
65
Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB18019C-2CA9-4976-AD79-329DCD1CC2B4
66
Hatramin'izany [Na: Noho izany] dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21431FF2-553D-4B54-B00F-C5253F720207
67
Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D94883E2-450B-474C-A2E9-B051619E74CA
68
Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EFAAEE5-3EAB-4629-AE1E-D8F8C29AE7C8
69
Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|602EBBEC-5230-4D35-89EC-6DA3620EF3C1
70
Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAA584C7-C9E8-47DD-9571-1743514AB267
71
Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy io no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|650BE170-8A4A-4BFE-A62F-954BB3979763
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany