Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha nankany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0272A5DA-03CC-4824-9105-95F42D63B82F
2
Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|745D30FF-E50C-4BBC-8A1F-88BD1AFA9D78
3
ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|327D97AC-2539-4E68-BA69-DDCCF9A0B258
4
fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A16116BF-5270-447D-AB5C-E54CCB01A7A2
5
Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84A02090-823E-4BF7-9ABD-61F90979F2D9
6
Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D7F4B17-EDA8-4D08-92EC-3624338E26E0
7
Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63822F80-54C9-4F62-81CC-4561F8E72F9C
8
Miakara ho amin'ny andro firavoravoana hianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6726430-35C6-4949-99F7-0BA4D21556CD
9
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AEB9377-9818-4DD9-B982-6B36CB742660
10
Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|692A2392-ABD9-4733-A89C-1678A5A1CD1B
11
Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13EEF246-D94B-450F-916D-D80FEEBB599F
12
Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9008F575-A3AC-4E77-AB58-83DFD87D6FD0
13
Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF4F4876-A427-439D-80F8-01D9EF90D349
14
Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9281996-FCCC-485B-AE50-12297757306D
15
Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'Ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|798DCF65-D6EC-408F-BD3B-256F7787F35E
16
Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'Izay nanireka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DED1377-70A9-45B0-9EA0-F18542383000
17
Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18CBF215-649F-4A0D-B1EB-489A3E730232
18
Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'Izay naniraka azy nomarina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FEFC252-8E81-463E-8FDB-B9A65D782732
19
Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna. Nahoana hianareo no mitady hamono Ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0664328B-5132-4960-BD3F-736F27A213C0
20
Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EECB838-D3E2-4231-B930-8D97CFADA0EB
21
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DC86CD0-A1C5-4BAA-BC08-65B002F76A25
22
Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78545874-C3AB-4969-B292-BA8D8A9F930A
23
Raha amin'ny Sabata asa no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amika va hianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DB3A69C-1C66-44CA-BAF4-6C9A3E7DE022
24
Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B28C3DB-388C-4CBE-A405-61300E608E96
25
Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FA02994-69BC-4268-B3B4-9F32B171326F
26
Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F916A235-80B7-4E2A-9F3D-C256080204D1
27
Nefa fantatsika izay nihavian'Ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7DBB059-0EF9-46CE-B416-57C9918834FB
28
Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa ny nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Ahy, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB5A82C3-EE0D-4B4B-8134-4BF154F36D4C
29
Izaho mahala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A7F6A5-9F68-41F8-9CA2-C19249D29513
30
Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tànana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9AD1E7A-6539-4E1F-9995-2F7967C20A25
31
Ary maro ny vahoaka ny nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29F845C8-456A-43AA-9607-1787F99C0F1C
32
Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4811D489-5DBA-4865-9596-2BE2E3AD3DC6
33
Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'Izay naniraka Ahy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D455B512-53CC-4B0E-8F27-75160028838B
34
Hitady Ahy hianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44BC438E-55CF-479F-9758-583EF6830899
35
Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'Ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|288143E0-DE82-46AC-81B7-0010116F8EA3
36
Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy hianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F22F7E48-5850-45A2-B859-3153988B8CD9
37
Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93A6544F-5A75-4DFF-A240-FA27FF0180D8
38
Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|282D02FC-4107-4FE1-997C-B86C75817B83
39
Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy [Fanahy Masina] tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F6E3A46-AAE6-4AB2-BEFA-64FB6D116C1A
40
Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B9323D2-8319-4E4D-BAD8-6A7ED260D2D5
41
Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A58839C8-04A3-4430-B7D6-1644E3F27AD9
42
Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5.1)?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5594E29-5FAE-41FB-A4D4-D2005F5CFB9A
43
Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|400F1FF2-6DAD-4C5E-BE5D-269372C14A97
44
Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tànana taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AE26BF6-1DF3-4306-AB48-03FF2B9A4B82
45
Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana hianareo no tsy nitondra Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84309CD3-8B7A-4F9B-900B-57E4A456DE18
46
Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|980A7DD3-A293-49B3-ADBE-932A745E9BA9
47
Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B528D1A-B9A4-44E6-8C28-FCDC7940B9AD
48
Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE420D38-02FA-421B-A658-520606241A99
49
Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B6ED6A3-0867-4476-8BCF-7C1F91397568
50
Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19610984-2678-4346-8904-C483282CDC6E
51
Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola nihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CDA68CD-9A46-4074-B618-989A706A7AAB
52
Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCA94594-F390-45CC-B00F-92E898E9ED60
53
Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF98C71C-A249-449C-8708-B501CADD9426
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany