Andininy
Protestanta Malagasy
1
fa Jesosy kosa nankany an-Tendrombohitra Oliva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04930F16-4205-46EF-A4BF-9B9B19656366
2
Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan'ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75F109F8-D9E1-4549-8956-A0A35E665879
3
Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D1285AE-F9B0-4438-9214-A02CAEEB0DD5
4
dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CB919ED-E93D-416B-AAD0-DD5835A1E6D6
5
Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22.22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41DF2034-1873-42AD-84FA-D58DFF920A2F
6
Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangana Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny ratsan-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|947582D4-3E80-47D3-8D7B-4C6754908145
7
Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota zo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C97FFCCE-D4D1-4FE0-88B5-0AC2ABFF5EDC
8
Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny ratsan-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D990B4C-5737-4CC5-A9F4-50D003A9D97D
9
Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C37B54F-A6AA-429E-93C6-00A8BEF47BEB
10
Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|534CE894-6BBA-4105-889A-C46DD059D4FD
11
Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C7F656A-EB14-4170-95A2-E54727700D81
12
Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A7F26B-D5E6-47FB-AA9B-9C4333EC7511
13
Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CEADDEC-700B-43A9-9DF4-6364F307B738
14
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa hianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|368E3B3A-7804-45C8-8701-E403CFD5FF3A
15
Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6AA4444-1486-4438-9AC0-1C4A0EDDB66E
16
Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E179D9E-94EC-4CC1-93C7-DA5DC6BF9F92
17
Ary voasoratra ao amin'ny lalànareo fa marina ny fanambaran'ny olona roa lahy (Deo. 19.15).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8DA4A35-536C-4288-AA90-A68F18E0F07B
18
Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka ahy dia manambara Ahy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABE07506-5AE1-45FF-8ACC-5E38177F5508
19
Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy hianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|523099C8-D663-4288-ABAD-85D2B1EF7806
20
Izany teny izany no nolazai'i Jesosy teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC41D05-9AC2-42A7-923B-EEF5B2BE95E3
21
Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy hianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAFB7C5C-5A23-4155-8F90-909B7440F6B5
22
Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB5A4CB3-D6EE-47E0-A190-BF4AE1CA22A1
23
Fa hoy Izy taminy: Hianareo avy aty ambany; Izaho avy any ambony; hianareo avy avy amin'izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD942B97-BECF-4DF7-8163-ABCB6856784A
24
koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo hianareo; fa raha tsy mino hianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53872218-B4A0-43DB-B139-AC683999D46B
25
Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany. [Ilay lazaiko aminareo indrindra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B37BBD9-E60F-444B-B23C-006853F9480D
26
Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A75B9E0F-2063-4733-9C52-B5C840BFEE33
27
Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|773A0FA6-F54B-4D79-901F-6F02D003CFE3
28
ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29913799-9D87-4781-A423-97FD2F225569
29
Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2752FF1A-F7EC-46A1-85C4-CB3481FF7B56
30
Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E38540A0-28A8-4986-BC51-2F1F0FE9FAA8
31
Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7989FB3-89E8-423E-BAE5-A3D6EEA5CD64
32
ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12667497-9103-460F-A1DB-4173E17B1C8B
33
Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED4C0A68-4559-4058-8D84-F03676D8FF1B
34
Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marinadia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C86307B9-E634-4E68-AAF4-0898CE8E5EAF
35
Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva [mandrakizay]; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B65AFD0-5C5A-4549-9D72-C3DEAABAECC9
36
Koa raha ny Zanaka ny hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38069224-3A68-469C-A88E-A5317A3B25D1
37
Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama hianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A5F2C15-B61B-4641-948F-C20A05AA45D9
38
Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary hianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48E15A54-19C1-44BC-98D3-36AB310B2E84
39
Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama hianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C93C7DCB-B2F4-41D5-844F-30CF023232F1
40
Fa ankehitriny hianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|411F805D-6851-4F9D-A504-73D7E2F54D3A
41
Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3D375CF-9A0E-4F9F-8032-4ACFED3968FF
42
Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDD8F448-8D49-4CEB-BAA1-324BE44D3AAD
43
Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44D8B8F6-3598-4C65-B06D-8551E07E8AD8
44
Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDBBBD39-126B-4B01-A0D1-5A5D15174CAE
45
Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB1824F9-840C-4160-8ABD-0DE10CCF9780
46
Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana hianareo ny tsy mino Ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A93F1B-C9D0-405B-9C1F-6FD1DFFFBEDE
47
Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6A1D0D6-2A7F-47C6-BCA0-18ECF07D67BB
48
Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53C99AE4-C838-424C-9681-DD0907B1E64F
49
Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary hianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E1EE7C2-BDFA-465E-A6E3-C3BE252CB7CE
50
Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81F0E646-DAA8-44C7-957E-0AC7E5BC5149
51
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CD3BE08-9D32-4595-9AD7-B84B4981FADC
52
Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D31B2CF-A3F2-47E1-9741-8FB55CC04A1D
53
Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16DF83AA-4B1C-49C8-A213-8A09C1774D2C
54
Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazaiko; ny Raiko Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77691490-3A8E-410E-A499-E1D857621DB0
55
Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84FAD84C-6F34-4824-A954-8E454A11F229
56
Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBC69BB1-F8AD-49D1-B0A7-B08AE4D89D12
57
Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an'i Abrahama va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|425C69A7-DF6F-49C0-96DC-F601633F70B2
58
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F801BAB0-177D-4902-A42B-87FD4FE22FD6
59
Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly.[ary namaky teo afovoan'ny olona ka lasa].
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA24A4EC-4082-430F-8BB7-E61F4BEA61C5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany