Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha nandalo Jesosy, fia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90196577-6DCD-4CC6-BE12-215C3A030BFC
2
Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BB432F2-98C0-4912-BF33-519149F38A21
3
Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A43A656-1A2C-40E5-9CDE-E9DF8C5B1551
4
Isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|521E9583-058B-452A-8AC2-85CB5F54EDF1
5
Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01198CC9-8ED3-4F4E-884C-50017ABF47E7
6
Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rora, dia nahosony ny mason'ilay jamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5DA44D6-2D42-458B-83F2-E587015B16CF
7
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin'ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|291E7D1D-3129-4EF4-8D30-528A8E7C36F3
8
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1C3C8BA-0C9B-4541-9776-CD1785C2014F
9
Hoy ny sasany: Izy ity; fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB722035-C806-4214-8EF6-895C6C549309
10
Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan'ny masoanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45C12F7C-ACCD-4B00-9BAB-DC38270AC35F
11
Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0F80B82-E02C-471A-A036-BB021DC35767
12
Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D0392CB-7C68-4CFD-8CB5-D278A2CBFE46
13
Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny Fariseo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B392ACCE-9956-451D-A0EC-5D46A1A48077
14
Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52F4C515-86A5-42CE-AF25-A3E3474890F5
15
Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D974D38C-F3AB-407F-9712-F522CF363665
16
Ary hoy ny Fariso sasany: Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana ny fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97CD9E93-8605-46C7-AA2D-8D1546FEDF75
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany