Asa 1: 1-26

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37BE5E93-ABBF-4028-A632-12D98BCE6F9D
2
hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E25C6F9-8A45-49E8-9300-E16DAF2B46C9
3
sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F983FD2-1291-4B08-839C-F21E6F945520
4
Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala any Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAB3B939-F252-4C7B-963F-751748B1DA8F
5
fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCDED9D0-8FF7-4D1F-80DC-0A31B4A350F4
6
Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26E9D9C5-11A7-4F0A-A526-09CC0FC76676
7
Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A7F9819-CDD0-4A1E-A77B-6651ADDFA098
8
Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|045AD0BF-B34F-43FA-881E-A3F4D82CCAFC
9
Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46924523-4DFA-4ECD-9EB6-8C0429325D69
10
Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F586003-5982-4B5A-A39E-09E10F4E4BEE
11
izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFFE4F20-8348-4D1F-B626-7C6C8B12EF84
12
Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17620B9E-2386-41D2-BF6A-F66C0EA4C833
13
Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany--dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak' i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE0708BE-C155-4942-9310-EC84588F5676
14
Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|498FF74F-5530-497E-A12C-67FE2D999AA2
15
Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63B97B74-6A70-409A-918C-F43C3934C79C
16
Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahana ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16038B33-0C31-4DB5-A5C3-1AE823A5941D
17
fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17A44551-9FA4-4A33-BC4A-24AD2814F4B3
18
Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka ny tsinainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A929960-D192-42C9-804A-89D80CA14FDD
19
Ary fantatr'izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran'izany saha izany amin'ny fiteniny dia atao hoe: Akeldama, izany hoe Sahan-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FF259B1-47F4-4695-A885-35C1C8C5B701
20
Fa voasoratra eo amin'ny Bokin'ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, ary aoka tsy hisy olona honina ao (Sal.69.25); ary koa: Aoka ho lasan'ny olon-kafa ny anjara-raharahany (Sal.109.8).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB21EA5B-1BE1-4A2D-8F15-0405D58045DC
21
Koa amin'ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B79588F-43B2-4549-9385-C333FD2EBB47
22
hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon'ny nitsanganany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|039F5243-53BB-4464-BB5C-90EEF16F6DB1
23
Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A0C02FE-B055-4B2C-BCB5-620BFF75619F
24
Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo รด, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59DE5B2A-BCFA-4826-8121-3397A985847E
25
mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B8B7B9D-E50E-4D40-BF46-CC65340018EA
26
Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A3BF4AE-349F-4716-8420-14CC8B790064
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany