Asa 10: 28-35

Andininy
Protestanta Malagasy
28
Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95816893-C67D-452F-9AC7-2C04F041D43C
29
Ary amin'izany dia tsy nandà tsy hankaty aho, raha nampanalaina; dia manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AA30820-A6F2-4136-BBF4-F021B501DD71
30
Dia hoy Kornelio: Loak'andro afak'omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia indro nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99EA8FC9-4425-4C93-AF32-3552A0210EA8
31
ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan'Andriamanitra ny fiantranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E06C2D7B-41E9-4FA2-8BBE-A53E58EDDB1E
32
Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe Petera; mitoetra ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16500E58-18D5-4775-A49F-2BBB2DA5C0BE
33
Koa niaraka tamin'izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa hianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan'Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian'ny Tompo anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A26B837-38F3-4E0E-883C-93E6ABB22454
34
Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65DCCBE5-9F8B-4A8D-8F2F-A4A255FB36F5
35
fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95B5FDFC-3C27-4583-B5DB-92C6BDF33E6D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany