Asa 12: 1-25

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01CCE795-3FCB-49FE-9117-C9EDFC662735
2
Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3FCA175-ABFB-4E9A-BEE5-E2A34A0720CF
3
Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48F2F531-C96F-4CFA-8D1E-72A580F50B70
4
Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-trano-maizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03ECABF5-E37D-4A19-AA4D-D61AA2E93AA0
5
Ary Petera nambenana tao an-trano-maizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63923220-C9FA-47E9-8280-AE2DBE9B07D7
6
Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny trano-maizina teo am-baravarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88A3BC28-CCD3-4692-8DFB-A3323A7613C9
7
Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E047734-693E-4C8C-8EC9-E4BC7E26D7FE
8
Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C35BC176-F1AC-4963-807D-F828D39C8B87
9
Dia nivoaka izy ka nanaraka azy; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7120B621-61B3-4F01-829A-F89D4A7ABD15
10
Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny làlana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy dia nandroso tamin'ny làlana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy ilay anjely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8A924F6-4008-42DA-A68E-30F1E1E64264
11
Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin'ny tànan'i Heroda sy ny fanantenan'ny Jiosy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA4CD6A0-DED0-401B-B021-03CBA23DD2DC
12
Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA456ADA-45A9-4525-AA52-23BA698796F5
13
Ary raha nandôndôna ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFBF6E5E-0FB5-4DD7-B6C8-F5A3FC6DD7E2
14
Ary rehefa nahalala ny feon'i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7666DBEF-21FB-4402-818C-2E1730089FB1
15
Fa hoy ny olona taminy: Very saina hianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F060B2F-A8DE-43C1-BBAD-6205CEE3461E
16
Fa Petera naharitra nandôndôna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F8868EE-1CB5-49A4-A992-FCAA3511BBE0
17
Fa izy nanofa tànana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan'ny Tompo azy avy tao an-trano-maizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin'i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin'ny fitoerana hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B6079CE-56EB-4B85-930E-EF26A8FACFFB
18
Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3A169BD-161A-410A-BD93-65B15F9A5FCB
19
Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|129B60A1-5FFB-432D-9D7E-A7154ABA3BBF
20
Ary Heroda tezitra loatra tamin'ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an'i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin'ny tanin'i Heroda .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615F92C2-C8F8-46ED-B7B2-941B0103A768
21
Ary tamin'ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C5128DE-492D-4F51-8DC1-0F9904324B6F
22
Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'Andriamanitra izany, fa tsy an'olona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26204609-1F79-43AE-8FB1-7D9B9977CC97
23
Ary niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; ka dia nohanin'ny kankana izy ka maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C704B7-116B-4857-9711-CBF5E11C5B63
24
Ary nandroso sy niely ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B9F2302-DEEA-4EA5-B4B5-03EBFBBA0828
25
Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA97000D-690B-46B1-9747-C4D3C2E2D596
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany