Asa 13: 1-52

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay nilo-nono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85C1D069-2A4C-43AF-AD5C-74FD5C4BD165
2
Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BACEA63-2D0D-45AC-BBB0-373296229C2E
3
Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tànana taminy izy, dia nandefa azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEF7A12B-C593-4154-803C-3D0BC29607D3
4
Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C845D52-9A54-45C9-96A9-052DDED0C9BD
5
Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|487A31BD-F04C-46D0-BF05-A38E5CA9C8F4
6
Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF15AD68-F681-4060-8107-70B961E7CD7E
7
izay nitoetra tao amin'i Sergio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42A973D3-9650-4C16-9A9B-E70043222356
8
Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A18BBC2-D706-4436-8769-215F5FB22FF8
9
Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A022B79B-0FBE-43FB-9473-7C765B488EE7
10
ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny làla-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C746531-6256-4E67-9532-67F1944336F8
11
Ary, indro, ankehitriny ny tànan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E3AF6AD-6AEB-4769-80E5-18643D4FCA0B
12
Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9572231D-0FDC-43D9-A127-2C7AD87C6ED4
13
Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Perga any Pamfylia; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7285750B-DAFB-4201-831D-08483D4CDEDD
14
Ary rehefa niala tany Perga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63EF2B08-CE88-44D2-A3D9-8FB10AF8432D
15
Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminanay, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5641616-8E82-41ED-BFCC-47E22F5D2306
16
Ary Paoly nitsangana dia nanofa tànana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy hianareo izay matahotra an'Andriamanitra, mihainoa:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE3AD953-269B-4BCF-9672-984E2BB17BE9
17
Andriamanitr'izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin'ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F81C7C4-0A2D-4F24-B910-E29C309E2DA2
18
Ary Izy nandefitra tamin'ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A030FF0B-BA55-40C9-8E52-59D9B412B272
19
Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin'ireny izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|565F8E49-FF6C-4B8F-82D8-AD264D354897
20
tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin'i Samoela mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA4E7595-E9FF-44E0-8315-911B0FD00232
21
Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen'Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak'i Kisy, lehilahy avy tamin'ny firenen'i Benjamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9797470B-27F6-42D3-97CB-454C81DBFE3A
22
Ary rehefa nanaisotra an'i Saoly Izy, dia nanandratra an'i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an'i Davida, zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra (1Sam.13.14; Sal 89.20).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8D70DEE-7269-42BF-87E5-57C6C61E136B
23
Avy tamin'ny taranak'izany lehilahy izany no nitondran'Andriamanitra an'i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0611ED05-D473-4280-914B-80A09BAAE685
24
rehefa notorin' i Jaona tamin'ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan'ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B6C5801-76D3-4667-ABF7-CF57B89DF624
25
Ary Jaona, rehefa nadiva ho naha-tanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy mendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29A16D4B-767E-4335-B4DA-86B20B16E056
26
Ry rahalahy, taranak'i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an'Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B4517EB-5C89-4088-B239-C266CE29027B
27
Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon'ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia naha-tanteraka izany tamin'ny nanamelohany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33E86BF0-E76E-41C9-94E5-E08B6B19E68D
28
Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin'i Pilato ihany izy hamonoana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4502B8E2-569A-45E7-8E82-08E0412DB282
29
Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin'i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin'ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A5DAAD4-84BF-4ACC-A5A5-64CCA2D301F2
30
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ACD4976-B4F2-477D-90E2-8CA0292EC90A
31
Ary Izy niseho andro maro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny olona ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89F37BE7-403E-4A08-8C74-684D25A71212
32
Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|707DC51C-CD96-4FEB-85E3-6339C4A4FABD
33
dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any (Sal.2.7).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9D36CE8-B01D-49FA-8DC9-5F61AB59A14C
34
Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lo intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an' i Davida (Isa.55.3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3E07B9D-8E2B-4757-B69A-9AEE33399EA4
35
Fa hoy Izy eo amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Hianao (Sal.16.10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E35D8FF-AAB6-4CD8-A546-3FCCCE8CEE8D
36
Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E595B808-7513-450F-8131-D2AA191763F3
37
fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C320199A-7BEB-4CC2-A1AE-60823F3F4F7D
38
Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D805EA2-E123-4B2A-BCDA-2C51BAC20713
39
ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E55F23-55BF-4EE3-A00E-E06A4DDC924F
40
Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A313DD0D-46C8-4390-995F-5CEBC0BD4ECE
41
Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab.1.5)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B88BCE57-D9DA-4203-8E46-9BB214598D63
42
Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|955C9029-9187-48FF-BB77-05C815C3D93B
43
Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C8F2B01-79E7-4FED-91E1-C267B17720A4
44
Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBE49877-9C4C-4314-85E3-2C20A51D6ED7
45
Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly sady niteny ratsy .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC9EE3EC-76F7-4578-9403-51C5C2269FA1
46
Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany hianareo ka manao ny tenanareo ho tsy mendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia, indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F52AA9BF-F4B4-4C3A-A8DC-399DD970B245
47
fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa.49.6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC474E83-E52E-4B30-933F-C130DFD58292
48
Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra ; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCC466EB-0FE0-40BA-9A51-48402856F9FA
49
Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C95B8AA2-ED12-47CA-BAE8-5B30E71247A8
50
Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F246DD0-09D1-49EA-99AC-70311D5840C8
51
Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65AFD51A-5BBC-427D-8957-95BBB8BA3603
52
Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F95C718E-1EC3-4B39-9893-348CCED867A1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany