Asa 14: 1-28

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|909E5756-7C38-450A-BD22-E5A16624E04F
2
Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra ny rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEC514E0-E601-4CD0-AE72-CC544D501421
3
Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin'ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin'ny fahasoavany ka nampanao azy roa lahy famantarana sy fahagagana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F67C9823-2AA3-4BF0-B97F-628F41621C27
4
Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B8B0ADB-4022-4DB7-AD17-6C9F4CBC1036
5
Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin'ny loholony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B2DB737-5F41-46EE-B793-97C30D58110F
6
ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin'ny tany manodidina izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79DD65E3-4392-4B44-A82F-1109B5C666F6
7
dia nitory ny filazantsara tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB866088-621E-4FFD-8177-AB1E347E9CE4
8
Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|027C2B23-F808-471E-80AE-BF013D08A290
9
izy nahare an'i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE955806-7660-4AA6-B43E-9AC87121CB51
10
dia niteny tamin'ny feo mahery hoe: Mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangatsangana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C646061-5771-45E6-85BA-EE96FFD81DE6
11
Ary nony hitan'ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon'i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin'ny fitenin'i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik'olona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EC06F18-3747-46BC-AE72-7B226E94CD24
12
Ary ny anaran'i Barnabasy nataony hoe Jopitera ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49A209AF-3AD7-4E22-9129-2A75C7E0D1E6
13
Ary ny mpisoron'ilay Jopitera teo anoloan'ny tanàna, mbamin'ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho eo am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68CB7447-C152-4EA3-BD78-EDBA35807B9E
14
Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan'ny olona sady niantso nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9E946CC-4F30-46B4-918A-E9DBC92347AF
15
Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao hanatona an'Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF976AD4-E605-4528-8E3F-CCFB90A1E50F
16
Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin'ny lalana tianay haleha tamin'ny andro lasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3625814A-A014-44B0-878E-8FC02AC7D154
17
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F9627B3-E646-4BA5-85FE-C95B26CE60F7
18
Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8753DEBE-1C30-4005-BCCA-E54D8D745D72
19
Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF1F6E27-6654-4A33-844B-8C709D48D9B7
20
Fa nony nanodidina azy ny mpianatra dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA81DC70-290D-4CF2-B847-100873DCA8FC
21
Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|704452C2-E3A1-4BA0-B678-9CF0D785945A
22
nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E2A7F81-6C67-460C-98E1-911EF39FD317
23
Ary rehefa nanendry loholona teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46C2ABC1-BCCA-48E4-8A93-D343C42288A3
24
Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F46A18C-CEA5-476B-8901-A28C59EC65F4
25
Ary nony efa nitory ny teny tany Perga izy, dia nidina nankany Atalia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|067A9EC6-1F53-42C9-AD27-32DDA5AC1B2C
26
Dia niondrana an-tsambo, niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|329AAD6D-E9F6-49A4-87B4-FFF836FAECDE
27
Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3D8B4D0-3DFA-4C9D-B68B-6131AE91F69D
28
Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E63B026-F7C9-4009-BF43-007761A5C6DA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany