Asa 15: 1-41

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy hianareo, dia tsy azo vonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2617D09-032A-4473-9B3A-100F7A499593
2
Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny iadian-kevitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28F8CFA0-0B22-4069-A336-C7834F577B8A
3
Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E741F4B9-4A1D-4BE5-8201-63FFC63A18E5
4
Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C03AF86F-962A-46E4-9174-F5CB47B263CE
5
Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC87DFBC-D448-419E-8031-5F1C94C9BF65
6
Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FFD36AA-4D4F-4D8D-A1D9-AFD9364B7457
7
Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40E50B54-A65E-4766-83EC-081D56505BBB
8
Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA8D31D2-A7A9-4918-B4C4-584EB788EEBF
9
fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45838284-DD5B-42F6-BCF2-9D1F27FCBE14
10
Koa nahoana hianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B6924CF-5FB4-4BA9-8726-8D591418C159
11
Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2ECAAF7-81C8-4DC6-A36C-2615005FF473
12
Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF76EB3F-1BBB-4946-BAA2-112DE95EA38E
13
Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0AC0F74-EEED-4905-8863-D0BF4D9F0982
14
Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3380DDCC-5A14-4D7D-A113-9A695E2A5A47
15
Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FE4215A-DF0C-4ED9-9256-F1C1084FB450
16
"Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; ary hanangana izay efa rava ao Aho, ka hanamboatra azy indray;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04931757-94CF-442B-BF7C-EF3C55CB1B4C
17
mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F71BF7B5-F367-4DDD-B63A-E49B855919F9
18
Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany" (Amosa 9.11.12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4B3190A-C677-4571-B1BF-C2ACD4BF8869
19
Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa, izay miverina ho amin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E298162-EFF2-4BF2-B831-89D5AC5FBDD5
20
fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny ra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDD3C1DD-A498-408D-8F45-74EFDE84D9B4
21
Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A55ED0B-8998-4BF5-9243-CC01AFEDD129
22
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barsabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6AFC889-87A7-4943-A28B-0E9C93F7EDEF
23
ary nanoratra taratasy izy ho entin'ireo, dia izao:"Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin'ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|656D0206-6037-4FD1-AE57-3DC3A836D50A
24
Satria efa renay fa ny sasany izay avy taty aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E3A393E-5CE0-418E-9ADD-02D741FA86BA
25
dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankaty aminareo hiaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77C97C10-96A5-4F5D-9BE1-1CC9EF78BF0D
26
lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14FC904B-5F8C-49C3-87F5-967EA265D6E7
27
Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C08379C-88E0-4437-B629-B53FB90055AF
28
Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6A3D25B-5EAC-4B59-8D73-736205029AD2
29
dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD89D622-AD7E-4882-9116-CD087006CCD0
30
Ary rehefa nalefany izy ireo dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87C5EA4E-59FE-4A58-82CB-A4503C8B3E21
31
Ary nony efa namaky izany ny olona ,dia nifaly noho ny anatra tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70819C72-923C-44A4-9E2A-734242C60C4A
32
Ary, satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin'ny teny maro izy ka nampahery azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86D3D2C4-ADA5-4B73-A241-F93DDEB3E7D4
33
Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehan'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|281E8D5B-A8B4-467A-BB4E-0817B845790A
34
Nefa mbola sitrak'i Silasy ny hitoetra ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E233B9F8-D9A3-470E-9670-42D305CB1D2D
35
Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy mbamin'ny maro koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AD5CCFD-1286-4F90-8EE6-D4795D1FE956
36
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D376F14-F0E3-4CC8-8DBE-81A2EE54C287
37
Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6EA7BFB-8F2A-4D02-AA9B-CEE112D5153B
38
Nefa nataon'i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin'ny raharaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC686CB7-9018-41CE-ABF0-F7548906777E
39
Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an'i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2272751-67F3-4EC8-831D-229FD9D6C062
40
Fa Paoly kosa nifidy an'i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny fahasoavan'ny Tompo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EECA382-90C5-4C2B-B05F-4029007ED1D5
41
Dia nandeha namaky an'i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADD85F5D-C458-45B5-BEB2-659FBB7F2B8E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany