Asa 15: 3-22

Andininy
Protestanta Malagasy
3
Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E741F4B9-4A1D-4BE5-8201-63FFC63A18E5
4
Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin'ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C03AF86F-962A-46E4-9174-F5CB47B263CE
5
Fa ny mino sasany, izay isan'ny antokon'ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC87DFBC-D448-419E-8031-5F1C94C9BF65
6
Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FFD36AA-4D4F-4D8D-A1D9-AFD9364B7457
7
Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin'ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin'ny vavako no handrenesan'ny jentilisa ny tenin'ny filazantsara ka hinoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40E50B54-A65E-4766-83EC-081D56505BBB
8
Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA8D31D2-A7A9-4918-B4C4-584EB788EEBF
9
fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45838284-DD5B-42F6-BCF2-9D1F27FCBE14
10
Koa nahoana hianareo no maka fanahy an'Andriamanitra amin'ny fametrahanareo zioga amin'ny vozon'ny mpianatra, izay tsy zakan'ny razantsika na isika ho entina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B6924CF-5FB4-4BA9-8726-8D591418C159
11
Fa mino isika fa ny fahasoavan'i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2ECAAF7-81C8-4DC6-A36C-2615005FF473
12
Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an'i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF76EB3F-1BBB-4946-BAA2-112DE95EA38E
13
Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0AC0F74-EEED-4905-8863-D0BF4D9F0982
14
Simeona efa nanambara izay nitsinjovan'Andriamanitra ny jentilisa tamin'ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3380DDCC-5A14-4D7D-A113-9A695E2A5A47
15
Ary mifanaraka amin'izany ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FE4215A-DF0C-4ED9-9256-F1C1084FB450
16
"Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; ary hanangana izay efa rava ao Aho, ka hanamboatra azy indray;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04931757-94CF-442B-BF7C-EF3C55CB1B4C
17
mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F71BF7B5-F367-4DDD-B63A-E49B855919F9
18
Izay manao izany zavatra fantatra hatramin'ny voalohany indrindra izany" (Amosa 9.11.12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4B3190A-C677-4571-B1BF-C2ACD4BF8869
19
Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin'ny jentilisa, izay miverina ho amin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E298162-EFF2-4BF2-B831-89D5AC5FBDD5
20
fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny ra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDD3C1DD-A498-408D-8F45-74EFDE84D9B4
21
Fa hatramin'ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin'ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin'ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A55ED0B-8998-4BF5-9243-CC01AFEDD129
22
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barsabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6AFC889-87A7-4943-A28B-0E9C93F7EDEF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany